FETE NATIONALE – Cinq minutes de feux d’artifice pour marquer le 61ème anniversaire de l’Indépendance
Catégorie : Actualité
-

26 JONA – Mangingina ny tanàna eo am-piandrasana ny matso, vitsivitsy ny tsena mbola nisokatra
Volon’andro fety Antananarivo. Mangingina ny teny afovoan-tanàna. Andro tsy fiasana. Na izany aza, nisy ihany ireo tsena sy toeram-pivarotana nisokatra, nahafahan’ireo tsy mbola nahavita ny tsenany tamin’ny faran’ny herinandro nividy izay mbola azo novidiana.
-

FETIN’NY FAHALEOVANTENA – Mahamasina ora vitsy alohan’ny matso
Vao maraina dia efa maro ireo olona tonga teny Mahamasina namandrika toerana. Tao ireo naniry ny hitsidika ny toerana alohan’ny hanombohan’ny matso fankalazana ny faha-61 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovan-tena. Tao ihany koa ireo mpitandro ny filaminana miomankomana hanao matso.
-

Fanamarihana ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena sy ny nahaterahan’ny Foloalindahy.
Fanamarihana ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena sy ny nahaterahan’ny Foloalindahy.
Mivantana avy eny Mahamasina. Sary sy Feo : TVM
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=4046521142083558&id=110141410632992 -

FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Zoma mahafinaritra alohan’ny « Vainty-Sisy »
Hipoka olona teny amin’ny lalam-baovao, « Rocade-n’Iarivo ». Rakotra olona teny Analakely, teo amin’ny Araben’ny Fahaleovan-tena. Ny teny an-tanàna tsirairay teny moa dia naresaka aoka izany. Efa ela tsy nifety ny Malagasy ka na tsy nisy aza ny « podium » mahazatra nokarakarain’ny fitondram-panjakana dia nivoaka nilanonana ny olona. Tahaka ny hoe nanenjika sy nanonitra ilay fety tsy nisy tamin’ny taon-dasa. Na ny ankizikely na ny tanora na ny olon-dehibe, niaraka nirohotra nivoaka avokoa. Tahaka ny hoe niafina izany ny tsimokaretina coronavirus. Noroahin’ny hazavana mamirapiratra nentin’ny jiro fotsy mena maitso nandravaka an’Antananarivo, noroahin’ny labozia mirehitra anaty harendrina taratasy, noroahin’ny « lazera » maro loko vita sinoa amin’ny endrika maro, noroahin’ny feon-kira « let it go » (« lerigo » hoy ny ankizy) kentsona mihiaka fa « afaka, votsotra » (« libéré, délivré »). Ny zoma mahafinaritra an’Antananarivo talohan’ny « Vainty Sisy » anaty horonan-tsary.
-

FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Inona no sakafo rehefa Asaramanitra
Inona no laokanareo androany sabotsy 26 Jona ? Laoka gasigasy koa ve ? Ohatra hoe gisa na vorontsiloza ? Sa tena nanao hanim-pitoloha mihitsy ? Dia inona no hamaranana ny sakafo ? Koban-dravina sa godrogodro ? Mizara amintsika ny sakafo fandroson’ny Malagasy rehefa fety sy tonon-taona tahaka izao i Bako Rasoarifetra, mpahay tantara, nianatra manokana momba ny Arkeolojia. Ankoatra ny fomba fahandro ny sakafo, dia resahiny ao anatin’ity horonantsary ity koa ny fomba fizarana ny akoho amam-borona rehefa hihinana amin’izay.
-

MEDIA – La télévision nationale assurera finalement la régie et la retransmission des images de la cérémonie du 26 Juin
Antananarivo, 26 Juin, 10h55 – La télévision nationale malgache (TVM) aura finalement un rôle plus important à jouer dans la retransmission en direct de la cérémonie du 26 Juin ce samedi. Après s’être presque publiquement plainte d’avoir été écartée de l’organisation de l’aspect lié à la communication de l’événement, vendredi, elle remercie le président de la République ce samedi d’avoir compris le poids de l’audio-visuel public.
Suite à ce qui apparaît donc comme une intervention du chef de l’Etat, la TVM devrait finalement assurer « la régie, la transmission des images de Mahamasina vers Anosy, puis la retransmission en direct à la télévision » de l’événement. Dans un communiqué, publié la veille, elle regrettait encore de devoir se contenter de recevoir le signal à Anosy afin d’assurer la retransmission en direct des images auprès des foyers.
Les prestataires privés qui avaient déjà été recrutés pour assurer initialement le travail de régie et de réalisation devraient donc, au final, travailler avec la TVM. C’est celle-ci qui « assurera le lead de la retransmission en direct de l’événement et qui en sera aussi le premier responsable », ainsi que le précise un communiqué de la chaîne publique publié ce samedi matin.
Ainsi, « conformément à la nouvelle organisation qui vient d’être mise en place, la retransmission en direct de la grande cérémonie qui se tient au stade Barea Mahamasina commencera à midi », annonce le communiqué de la TVM. Le texte, cette fois-ci, n’est plus signé par le seul directeur par intérim de la télévision nationale, Nampoina Ranarivelo, mais aussi par le directeur général de l’ORTM, Jean Yves Belalahy.
Et alors que le communiqué de la veille ne mentionnait aucune émission spéciale à diffuser à l’occasion du 61ème anniversaire de l’Indépendance, le communiqué publié tôt ce samedi parle de la « diffusion d’émissions spéciales entièrement consacrées à la Fête du 26 Juin à partir de 6h du matin ». Elle annonce également pour 10h une « émission spéciale sur l’histoire de Madagascar et sur l’histoire de l’Indépendance avec une diversité de reportages et d’invités spécialisés en histoire ». -

VAOVAO – MINUTE FLASH 25 JONA 2021
– VALANARETINA : Olona iray no matin’ny Covid-19 tamin’ny 24 Jona, mbola misy 67 ireo marary miatrika fahasarotana– TSY FANJARIAN-TSAKAFO : Nizarana vary 50 kilao sy menaka iray litatra ireo fianakaviana tena marefo any amin’ny faritra Androy– ASARAMANITRA : Fitafy maneho ny lokon’ny sainam-pirenena malagasy no nanaovan’ny mpiara-miasa ao amin’ny Vondrona SMTP hanamarihana ny fetin’ny Fahaleovan-tena -

FANDRIAM-PAHALEMANA – Ny Tafika malagasy sy ny endriny vaovao
Endrika vaovao sy rafitra vaovao no hasehon’ny Tafika malagasy mandritra ny matso lehibe izay hanamarihana ihany koa ny faha-61 taona nahaterahany. « Tafika manakaiky vahoaka » no heverina ho tanjona amin’izany fanovana izany. Fanazavana.

