SAFIDY – Nandritra ny tatitra nataony ny 27 janoary tetsy Ambatonankanga, mahakasika ny fifidianana kaominaly sy mpanolo-tsaina farany teo, no nanambaran’ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (SAFIDY), fa tsy mbola voafaritra mazava ny fepetra amin’ny maha azo raisiny, sy mitombina, ny fitoriana apetraka momban’ny olana ara-pifidianana. Manana olana mahakasika izany isika hoy i Harijaona Randriamoraniaina, Mpandritra mpanatanteraka eo anivon’ny Safidy. « Tsy mazava ny porofo tokony entina raha hametraka fitoriana » hoy ny tenany.
Catégorie : Actualité
-

RATSIRAHONANA : « TSY MPANAKOROTANA AHO »
Asa Vita no Ifampitsarana. Fotokevitry ny antoko tantaniny nefa fotokeviny ihany koa. Raha asa tokoa dia efa betsaka ny vitan’i Norbert Lala Ratsirahonana teto amin’ny firenena. 81 taona izao ny lehilahy fa mbola tsy mieritreritra hijanona amin’ny fanaovana politika. Raha lazain’ny maro fa loharanon’ireo korontana politika maro teto Madagasikara izy, dia miaro tena kosa ny lehilahy ary maka ny toeran’ny mpampihavana mihitsy aza.
-

TETIK’ASA « ELITE AGRO LLC » – BAS MANGOKY : MISY TEBOKA MARO MAMPIAHIAHY
TETIK’ASA « ELITE AGRO LLC » – BAS MANGOKY : 60.000 ha no tany homena hotrandrahan’ny kaompania « Elite Agro LLC » any amin’ny faritra Bas Mangoky. Na dia mbola vao eo amin’ny dingan’ny andrana ary ny tetik’asa dia maro ireo fanontaniana mipetraka mahakasika azy ity.







