



FETE NATIONALE – Cinq minutes de feux d’artifice pour marquer le 61ème anniversaire de l’Indépendance

Volon’andro fety Antananarivo. Mangingina ny teny afovoan-tanàna. Andro tsy fiasana. Na izany aza, nisy ihany ireo tsena sy toeram-pivarotana nisokatra, nahafahan’ireo tsy mbola nahavita ny tsenany tamin’ny faran’ny herinandro nividy izay mbola azo novidiana.

Vao maraina dia efa maro ireo olona tonga teny Mahamasina namandrika toerana. Tao ireo naniry ny hitsidika ny toerana alohan’ny hanombohan’ny matso fankalazana ny faha-61 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovan-tena. Tao ihany koa ireo mpitandro ny filaminana miomankomana hanao matso.

Fanamarihana ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena sy ny nahaterahan’ny Foloalindahy.
Mivantana avy eny Mahamasina. Sary sy Feo : TVM
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=4046521142083558&id=110141410632992

Hipoka olona teny amin’ny lalam-baovao, « Rocade-n’Iarivo ». Rakotra olona teny Analakely, teo amin’ny Araben’ny Fahaleovan-tena. Ny teny an-tanàna tsirairay teny moa dia naresaka aoka izany. Efa ela tsy nifety ny Malagasy ka na tsy nisy aza ny « podium » mahazatra nokarakarain’ny fitondram-panjakana dia nivoaka nilanonana ny olona. Tahaka ny hoe nanenjika sy nanonitra ilay fety tsy nisy tamin’ny taon-dasa. Na ny ankizikely na ny tanora na ny olon-dehibe, niaraka nirohotra nivoaka avokoa. Tahaka ny hoe niafina izany ny tsimokaretina coronavirus. Noroahin’ny hazavana mamirapiratra nentin’ny jiro fotsy mena maitso nandravaka an’Antananarivo, noroahin’ny labozia mirehitra anaty harendrina taratasy, noroahin’ny « lazera » maro loko vita sinoa amin’ny endrika maro, noroahin’ny feon-kira « let it go » (« lerigo » hoy ny ankizy) kentsona mihiaka fa « afaka, votsotra » (« libéré, délivré »). Ny zoma mahafinaritra an’Antananarivo talohan’ny « Vainty Sisy » anaty horonan-tsary.

Inona no laokanareo androany sabotsy 26 Jona ? Laoka gasigasy koa ve ? Ohatra hoe gisa na vorontsiloza ? Sa tena nanao hanim-pitoloha mihitsy ? Dia inona no hamaranana ny sakafo ? Koban-dravina sa godrogodro ? Mizara amintsika ny sakafo fandroson’ny Malagasy rehefa fety sy tonon-taona tahaka izao i Bako Rasoarifetra, mpahay tantara, nianatra manokana momba ny Arkeolojia. Ankoatra ny fomba fahandro ny sakafo, dia resahiny ao anatin’ity horonantsary ity koa ny fomba fizarana ny akoho amam-borona rehefa hihinana amin’izay.
