Catégorie : Life
-

FITSIPI-PANORATANA- Tsy mitovy hono ny hevitry ny teny hoe « samy hafa » sy « samihafa »
Mitovy fanonona fa sady tsy mitovy fanoratra no tsy mitovy hevitra ny « samy hafa » sy ny « samihafa ». Afangarontsika anefa izy ireo matetika ka raha « samy hafa » no tokony hosoratana dia « samihafa » no voasoratra. Manova ny hafatra tiana hampitaina anefa izany. Efa manome fotoana indray Ingahy Nalisoa Ravalitera mpampianatra hanoro antsika ny fampiasana azy. Samy hafa mihitsy ny « samihafa » sy « samy hafa » e. Hevitra samihafa no voiziny. -

FIHAINGO – Aiza no asampy ny lamba raha hianjaika sy haneho hafaliana?
https://youtu.be/ACeYXOgMYZA
Ny lamba no singa anehoana ny maha-Malagasy ankehitriny rehefa takiana ny fanaovana fihaingo sy fitafy malagasy rehefa hianjaika. Miverina mitafy lamba ny Malagasy raha toa ka nisy fotoana efa saika nanary mihitsy izany lamba izany. Tsy isalotsaloram-poana anefa ireny lamba ireny fa mifono hevitra sy maneho fihetseham-po. Hafa ny fomba itafiana azy rehefa tezitra, hafa ihany koa rehefa te haneho hafaliana. Sary sy loharanon-kevitra avy any amin’ny Arsivam-pirenena no nandrantoanay ny torohay, mety hanampy anao rehefa hianjaika ianao mandritra ny Asaramanitra.
-

TENY MALAGASY – Rakibolana, mirakitra harena, mirakitra ny maha-firenena
Fantatrao ve hoe inona avy ny asa be atao vao vita ireny Rakibolana – Rakipahalalana ireny ? Tsy ny fanontana azy fotsiny, fa ny fandrafetana azy mihitsy, manomboka amin’ny fisafidianana ny teny ampidirina ao, sy ny fankatoavana ary ny fanazavana azy. Araho anie ny fanazavan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy, filoha lefitry ny Akademia malagasy sy Oliva Ramavonirina avy ao amin’ny Foibe momba ny teny.
-

FITSIPI-PITENENANA – Azo atao ve ny mampiasa ny teny hoe afaka alohan’ny matoanteny atao?
Fiteny ve sa tsy fiteny ny hoe « afaka atao »? Azo atao ve ny mampiasa ny teny hoe « azo » alohan’ny matoanteny mpanao ? Henoy anie ny fomba hanazavan’i Nalisoa Ravalitera mpanoratra sady mpampianatra ny tokony hampiasana ny « azo » sy ny « afaka » e.
-

FITSIPI-PANORATANA – « Lavitry ny maso, lavitry ny fo », fanonona fa tsy fanoratra
Raiso indray ny penina sy ny taratasy dia andao hiaraka hianatra hanoratra aminay teny malagasy. « NOHO NY » ve sa « NOHON’NY » ? « MOMBA NY » ve sa « MOMBAN’NY » ? « LAVITRA NY ve sa LAVITRY NY » ? « OHATRA NY » ve sa « OHATRAN’NY » ? Mbola i Nalisoa Ravalitera ihany no mpampianatra. Sady tsy miteny fotsiny izy hoe izao no soratana dia izay ihany. Fa manazava mihitsy hoe maninona no tahaka izao na tahaka izao no fitsipika raha hanoratra ireo teny ireo.
-

KOLON-TSAINA – Mitsabo amin’ny mozika toa an’i Linda Volahasiniaina
Rehefa sendra ilay mozika mahafinaritra iny, dia milamina ery ny saina. Voarotsirotsy ny fanahy. Afa-tsasatra ny vatana. Tsy mampiala voly sy mandrotsirotsy fotsiny ny mozika, fa miteraka angovo tsara, na ho an’ny mpiangaly azy na ho an’ny mpihaino azy. Mitsabo mihitsy aza izy rehefa sendra ny olona mahay azy. Toa an’i Linda Volahasiniaina sy ny valihany. Ankafizo anie e.
-

FITSIPI-PITENENANA – Anio ve sa androany ? Ary raha niany ?
Hainao ve hoe rahoviana no tokony hampiasa ny teny hoe ANIO ianao ary rahoviana no tokony hampiasa ny teny hoe ANDROANY ? Ary inona no tena dikan’ilay hoe NIANY ? Tsy androany na anio daholo ihany ve ? Manitsy ny diso amin’ny fiteny fampiasantsika andavanandro i Nalisoa Ravalitera, mpanoratra, mpampianatra malagasy ary mpikambana ao amin’ny Akademiam-pirenena malagasy. Raiso ary ny penina sy ny taratasy dia araho ny fanazavana.


