Handray ny vatsim-pianarana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony afaka andro vitsivitsy. Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny ministra misahana ny Fampianarana ambony sy ny minisitra misahana ny Paositra androany talata 4 aprily.
Hiroso amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana ny oniversite raha ny fanambarana nataon’i Profesora Elia Béatrice Assoumacou, minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
Sakana amin’ny fanafaingananana ny fandoavana io vatsim-pianarana io anefa ny fahataran’ireo lisitra avy amin’ireo Oniversite tsirairay.
