Étiquette : vaovao

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 08 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 08 DESAMBRA 2021

    – LALANA – Nalefa hodinihin’ny governemanta tamin’ity herinandro ity ilay tolo-dalàna mikasika ny fampitsaharana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana
    – TOEKARENA- 6 %-n’ny Malagasy ihany no miasa amin’ny sehatra ara-dalàna
    – FITSARANA : Notsipahin’i Marc Philippe François ny fiampangana azy ho tafiditra amin’ilay raharaha « Appollo 21 », resaka fandraharahana no nifandraisany tamin’i Paul Rafanoharana hoy izy

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 07 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 07 DESAMBRA 2021

    – FITSARANA : Notsipahin’i Paul Rafanoharana ny fiampangana azy ary notsindriany nanoloana ny mpitsara fa famolavolana tetibola no tao anatin’ilay « Appollo 21 » fa tsy tetikady famonoana ny filoham-pirenena
    – FISOROHANA : Nanolotra vakisiny Janssen fanampiny miisa 336 000 fatra ho an’I Madagasikara ny governemanta amerikanina androany talata.
    – FITANTANAM-BOLA : Lany nasiam-panovana teo anivon’ny Antenimieramdoholona ny volavolandalana mifehy ny ny tetibolam-panjakana hoan’ny 2022

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 06 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 06 DESAMBRA 2021

    – RAFI-PITANTANANA – Andrianarisedo Retaf Arsène Dama no voafidy ho filoha vaovaon’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana.
    – FITSARANA – Mitohy rahampitso talata ny fitsarana ny raharaha « Apollo 21 », mandà ny fiampangana azy ireo voarohirohy 20
    – FANJARIAN-TSAKAFO – Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ireo sakafo feno otrikaina vita eto an-toerana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 03 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 03 DESAMBRA 2021

    – TETIKASA PAGOSE – Naloan’ny JIRAMA ny vola mitentina 634 719 dollars nangatahan’ny Banky iraisam-pirenena onerana.
    – FIZAHAN-TANY : Mieritreritra ny hampihena ny saran-dalan’ny fiaramanidina mankany amin’ny faritra ny fitondram-panjakana.
    – INDOSTRIA : Hisy ny fikaonan-doha lehibe hiarahan’ny fanjakana sy mpandraharaha amin’ny 13 Desambra.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 02 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 02 DESAMBRA 2021

    – VALANARETINA – Olona 91 no voamarina fa mitondra ny tsimokaretin’ny Covid-19 ny alarobia voalohan’ny volana Desambra, hoy ny Praiminisitra
    – FITANTANANA – Tsy voaraoka ny fako sasany noho ny olan’ny fitaovana hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra
    – FAMPIRANTIANA – Nanomboka androany 2 Desambra ary hitohy rahampitso ny fampahafantarana ny asan’ny Polisim-pirenena etsy amin’ny tokontanin’ny Lapan’ny tanàna Analakely

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 01 DESAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 01 DESAMBRA 2021

    – FAHASALAMANA – Mitsipaka tanteraka izay mety ho fampitsaharana vohoka na inona antony na inona ny Fivondronan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara.
    – FIFIDIANANA : Amin’ny zoma izao no ho fantatra ireo mpikambana ao amin’ny biraon’ny CENI
    – FANJIFANA – Nitombo ny voka-bary sy ny velaran-tany ambolem-bary eto Madagasikara nandritra ny taom-pamokarana 2021, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 30 NOVAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 30 NOVAMBRA 2021

    – TSENA : Tsy maintsy miakatra ny vidin’ny henan’omby eny an-tsena hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena
    – TOE-KARENA : Tsy afa-po amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022 ny sehatra tsy miankina
    – SAVOROVORO : Adin’ankizy niteraka korontana sy savorovoro teny amin’ny lisea tekinika anankiroa

  • VAOVAO MINUTE FLASH – 29 NOVAMBRA 2021

    VAOVAO MINUTE FLASH – 29 NOVAMBRA 2021

    – VALANARETINA- Olona telo no mitondra ny tsimokaretina coronavirus any amin’ny faritra Boeny, miisa 258 ny tranga vaovao teto Madagasikara tao anatin’ny herinandro
    – FITSIDIHANA OFISIALY – Tsy ho tonga eto Madagasikara indray ny tale mpanatanteraka lefitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina na UNFPA noho ny fepetra ara-pahasalamana
    – FOTODRAFITRASA- Hasiana lakan-drano eo amin’ny vavahady P3-n’ny Kianja Barea Mahamasina mba hahafahana hamarinana ireo rano miditra ao an-kianja

  • VAOVAO MINUTE FLASH 26 NOVAMBRA 2021

    VAOVAO MINUTE FLASH 26 NOVAMBRA 2021

    FITANTANANA NY JIRAMA – Vola 1,752 tapitrisa dolara no angatahan’ny Banky iraisam-pirenena haverin’ny ny fanjakana Malagasy
    FITSARANA – Tsy voamarina raha tena voasambotra tokoa i Raoul Arizaka Rabekoto hoy ny ministry ny Fitsarana
    FIZAHANTANY : Mpizahatany 437 no nitsidika an’i Madagasikara hatramin’ny nisokafan’ny sisintany

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 25 NOVAMBRA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 25 NOVAMBRA 2021

    FANAOVAN-DALÀNA – Nitsangana ny komity manara-maso ny tolo-dalàna momba ny fampiatoana ny vohoka noho ny antony fahasalamana
    FAHASALAMANA: Naharay vakisiny Pfizer eo amin’ny 400.000 fatra indray i Madagasikara
    HETSIKA – 700 mahery ireo mpandray anjara amin’ny hetsika Foara ara-toekarena sy ara-barotra ho an’ny Faritra 23