26 JONA 2020 – Sakafo miova amin’ny mahazatra saingy tsy handaniam-bola be no hanamarihana ny fetin’ny fahaleovan-tena

Ho maromaro ny akoho amam-borona hahatratra ny asaramanitra amin’ity fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fahaleovan-tena ity. Indrindra fa ny gisa sy ny vorontsiloza. Tsy dia maro mpividy loatra izy ireny, hoy ireo mpivarotra. Ny akoho sy ny gana no betsabetsaka no mety ho tra-drasa. Na tsy handany vola be aza, mieriteritra ny hanao sakafo metimety sy miavaka ihany ny Malagasy sasany.

Quitter la version mobile