Fampitandremana. Milaza ho manomboka ny “fanadiovana” ireo kodiaran-droa mampiasa ny sisin-dalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nampahatsiahivin’ny Kaomisera Rakotondrainivonona Panoela Tsiky , lehiben’ny Polisy Monisipaly, fa mety hahatratra folo andro ambala-pamonjana, arakaraka ny hamafin’ny fandikan-dalàna ny sazy mihatra amin’ireo minia mandika ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana ka mandeha amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.
Raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity dia tsy vitsy ireo kodiaran-droa efa voasazy noho ity karazana tranga tsy fanarahan-dalàna ity. Raha ny antontan’isa nomeny dia mahatratra 15 hatramin’ny 20 isan’andro eo ireo kodiarandroa voasazy isaky ny faritra hiasana mandritra ny hetsika iray. « Matetika no miseho ny fandikan-dalàna toy izao rehefa be ny fitohanan’ny fifamoivoizana, fotoana izay iasan’ny mpitandro filaminana amin’ny fandrindrana ny fivezivezena ihany koa », hoy izy.
Arakaraka ny hamafin’ny fandikan-dalàna ny sazy mihatra amin’ireo tsy manaraka ny fitsipika. Raha ny fanazavana dia telo andro ny fampidirana ambala-pamonjana ho an’ny fandikan-dalàna iray, dimy andro raha misy fandikan-dalàna roa, ary mety hahatratra folo andro izany raha miverimberina na mihamafy ny fandikan-dalàna. “Ny lalan’ny mpandeha an-tongotra dia natao ho an’ny mpandeha an-tongotra, fa tsy handehanan’ny kodiarandroa. Efa misy ny fitsipika mifehy izany ary ampiharina ny sazy rehefa misy ny fandikan-dalàna”, hoy izy.
Ho an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra anefa dia tsy ny fanasaziana irery no tanjona fa indrindra ny fiarovana ireo mpandeha an-tongotra. “Tsy maintsy hamafisina ny fiarovana ny mpandeha an-tongotra”, hoy ny Kaomisera Rakotondrainivonona Panoela Tsiky. “Tsy ny fanasaziana no tena tanjona fa ny fahatongavan-tsaina ho an’ny tsirairay”, hoy hatrany izy. Voakasik’io fitsipika io ihany koa ireo fiara mijanona na mibahana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra raha fanazavana hatrany.
Efa nanomboka 4 septambra ny fampiharana ny Fitsipika Mifehy ny Fahadiovana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fepetra mikasika ny fampiasana sy ny fibahanan’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.











