Tsy dia ahitana mpividy firy ny akanjo tonta eny amin’ny tsena ankalamanjana amin’izao fotoana izao. Voatery mandefa ny entany amin’ny vidiny mora ireo mpivarotra na dia lafo aza no hividianany izany eny amin’ny mpamongady. Izay tsy hahafaty antoka sy hahalany ny akanjo amidy no atao, hoy izy ireo.
Catégorie : Actualité
-

MARIKY NY FIANDRIANANA – « Vavaka ny hiram-pirenena ka tsy tokony hotapahina ny fihirana azy » hoy ny lehiben’ny komity mpanomana ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovan-tena
Endrika ivelany isehoan’ny fiandrianam-pirenena sy ny ny fahaleovantenam-pirenena ny fananany hiram-pirenena. Ho an’i Madagasikara dia maneho fangataham-pitahiana ho an’ny Tanindrazana ny hiram-pirenena. Vavaka izy iny ka tsy tokony hotapahina ny fihirana ny andininy, hoy indrindra i Bodo Rasoamampionona, Lehiben’ny komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena.
-

LITERATIORA – Manahirana ny mahita sehatra ahafahan’ireo tanora mpiangaly tononkalo mivelatra
Fanirian’ireo tanora mankafy ny teny malagasy sy ny fanoratana tononkalo ny hananana sehatra bebe kokoa hanehoana sy hivelaran’ny talentany. Tsy dia manoro hevitra azy ireo loatra hamoaka ny sangan’asany eny amin’ny tamba-jotran’ny fiaraha-monina ireo efa ela nihetezana teo amin’ny sehatry ny literatiora.
-

KRIZIM-PAHASALAMANA – Ny lanjan’ireo orinasa mety hisitraka ny fanohanan’ny Fanjakana eo amin’ny toe-karena
Ny orinasa madinika sy salantsalany, indrindra ireo orinasa tena madinika no nambaran’ny Fanjakana fa hisitraka ny fanohanana ho an’ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny drafitra marolafy ho an’ny fahamehana. Ireo orinasa ireo no mandrafitra ny 99,8%-n’ny orinasa misoratra ara-dalàna eto Madagasikara, mampiasa ny 77%-n’ny mpiasa ary mampiditra ny 77%-n’ny vola matin’ireo orinasa misoratra ara-dalàna.
-

FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Fanehoana fanajana ny sainam-pirenena ny fanarahana ny fenitra amin’ny fampiasana azy
Fotsy mangatsakatsaka ankavia. Mena midorehitra ambony. Maitso ahitra ambany. Tsy ny firafitry ny sainam-pirenena ihany no tokony harahina fa eo koa ny lokony sy ny refiny. Na ny famalomana azy aza dia misy fenitra tokony harahina. Fomba entina maneho ny fanajana ny sainam-pirenena ny fanajana ireo fenitra sy fepetra voafaritra. Ankoatra ny fampahafantarana ny tantaran’ny sainam-pirenena dia tanjon’ny fampirantiana karakarain’ny Komity mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena ny fampahatsiahivana ireo fenitra ireo.
-

ADY AMIN’NY COVID-19 – Mitaraina ho tsy ampy fiarovana sy fampirisihina iatrehana ny coronavirus ireo mpiasan’ny fahasalamana sasany
Hetsika fanairana fa tsy fitokonana no nambaran’ny sendikan’ireo infirmiera sy mpampivelona fa hataony androany zoma. Nifanome fotoana teny amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ireo mpiasan’ny fahasalamana sasany araka izany, hitaky ny fanamafisana ny fiarovana azy ary ny fampitoviana tantana ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra amin’ny lafiny tosika sy fampirisihana.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 12 JONA 2020
– CORONAVIRUS : Betsaka noho ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ireo sitrana ho an’ny androany zoma
– TOE-KARENA : Tsy hisy ny fihaonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina raha tsy vita ny ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana
– IVATO : Nihemotra ny famaranana ny fanaovana ny tatitry ny Governemanta manoloana ny Antenimieram-pirenena -

FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA – Mitaraina ho tratran’ny sivana tany amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny solombavambahoaka mpanohana ny fitondrana anankiray.
Nampiaka-peo tamin’ny tsy namoahana ny fandaharana nanehoany hevitra tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny solombavambahoaka Brunelle Razafitsiandraofa. Nohararaotin’ny solombavambahoakan’ny mpanohitra nanapotsirana ny tsy fahafahan’izy ireo maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny fanamarihana nataon’ity solombavambahoaka ity. Namaly anefa ny minisitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy misy ny sivana eto Madagasikara, ary ny tompon’andraikitra ao amin’ny télévision malagasy no hany afaka mana-pakevitra amin’ny famoahana na tsia ny vaovao. -

FANABEAZANA – Ny Governemanta no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’ny datin’ny fanadinam-panjakana
Miandry ny fankatoavan’ny Governemanta ny tetiandro vaovao ho an’ny fanadinam-panjakana, raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana tekinika sy arakasa mpisolo toerana, Elia Béatrice Assoumacou. Nanamarika ihany koa ny minisitra fa hiezaka hatrany hampitovy lenta ny mpiadina amin’ny taranja fanatanjahan-tena amin’izao fotoanan’ny fihibohana sy fahamehana ara-pahasalamana izao.
-

FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Nisafidy ny tsy hanamboatra harendrina ny mpanamboatra sasany noho ny fisian’ny Covid-19
Efa niomana ny amin’ny tsy hisian’ny fahafahana mitondra harendrina mandehandeha ny mpanamboatra sy mpivarotra ity kilalao ity amin’ity taona ity. Tao ny nisafidy ny tsy hanamboatra intsony. Ao ny mbola manantena fa hisy hividy ihany ny harendrina harehitra eny an-davarangana sy eny an-tokontany.
