Fanafody avy amin’ny Artemisia, fampiasa amin’ny fitsaboana ny tazo mahery no hanaovana andrana eto Madagasikara hitsaboana ireo marary voan’ny Covid-19. Artesunate no anarany ary atsindrona amin’ny nofo na mivantana amin’ny lalan-dra no hanomezana azy ny marary. Samy andramana ny fiantraikany raha mandeha irery izy na raha ampiarahina amin’ny Vitamine C atsindrona. Mararin’ny Covid-19 manaiky an-tsitrapo sy ankalalahana ny andrana no tsaboina amin’ny Artesunate ary any amin’ny Tanàna Voara no andraisana azy ireo.
Catégorie : Actualité
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 53
Antananarivo 11 Juin 2020– Mahamasina : 7h45– Ampefiloha : 8h– Ankorondrano : 8h45 -

FAHASALAMANA – Mila hamafisina ny hery fiarovana hiatrehana ny ririnina
Inona avy no fitandremana mila raisina mandritra izao vanim-potoanan’ny ririnina mifanindry amin’ny coronavirus izao ? Omena sakafo ny hoditra tsy ho maina sy makiana, sakafo ara-pahasalamana no hohanina, fadiana ny mihinana sy misotro mahamay loatra, ary tezaina ny vatana. Torohevitra vitsivitsy entin’ny Dokotera Séraphine Feziny.







