– CORONAVIRUS : Niampy 43 ireo mitondra ny tsimok’aretina, efatra kosa ireo sitrana
– KIANJA MASOANDRO : Voahaja ireo fepetra fiarovana ny vakoka hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina.
– CORONAVIRUS : Manandrana mamonjy toeran-kafa ny mponin’i Toamasina sasany
Catégorie : Actualité
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 22 MAY 2020
-

PODCAST – FIANGONANA KATOLIKA : Tsy notanterahina ny fivondronamben’ny Eveka hoan’ny taona 2020
Antananarivo, 22 mai – 12h49, Nanambara ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, androany, fa tsy afaka nanatanteraka ny fivoriana fanao isaky ny volana mey ny fivondronan’ny Eveka noho ny hamehana ara-pahasalamana izay misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nanapa-kevitra ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara fa tsy hotanterahina amin’ity taona ity ny fankalazana ny Kongresy Eokaristia nasionaly sy ny faha 100 taona ny FET (Fikambanan ny Eokaristia eto Madagasikara), ary ny fihaonamben’ny ankizy na Journée Nationale des Enfants (JNA) saika hatao any Fianarantsoa amin’ny Septambra.
-

FAMARANANA NY RAMADANY : Mbola baraingo ny fomba hankalazan’ny mpino silamo azy
Anisan’ny vanim-potoana lehibe indindra amin’ny finoana silamo ny Ramadany. Mahatsiaro sahirana ny amin’ny fomba hankalazana ny famarana izany na ilay antsoina hoe « Eid » anefa ireo mpino amin’izao fahamehana ara-pahasalamana mihatra amin’ny firenena izao.
-

Vakoka : Mijoalajoala ny « Kianja Masoandro » ao Anatirova
Efa mitsangana amin’ny ampahany ankehitriny ilay Kianja Masoandro ao Anatirova. Nanaitra ny maro izany fanamboarana izany satria toa manimba ny maha vakoka ara-tantara ity toerana ity. Manazava kosa ny Tale jeneralin’ny Kolontsaina ao amin’ny ministerana ny Serasera sy ny kolontsaina fa tsy manimba izany velively ireo fanamboarana ireo.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 20 MAY
– Coronavirus : Niampy 45 ny isan’ireo olona voan’ny coronavirus, 12 ireo sitrana
– Parlemanta : Manohitra ny politikan’ny frantsay momba ireo Iles Eparses
– Fifamoivoizana : Manome 24 ora ny tompon’andraikim-panjakana ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly hijery ny mahakasika azy ireo




