Anisan’ireo olona 67 voalaza fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus i Benjara Andrianivo, na i Njara, raimpianakaviana, mpiasa ao amin’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray, monina ao Belanitra Zaivola, Ankadikely Ilafy. Rehefa naverina anefa ny fitiliana dia voaporofo fa tsy marary akory ny tenany. Tao anatin’izay fotoana izay dia nisedra fanilikiliana sy tondro molotra i Benja sy ny fianankaviany. Nanambara ireto farany fa sarotra tamin’izy ireo no nifandray tamin’ny fiarahamonina.
Mitantara ny niainany izany i Benjara Andrianaivo sy ny ankohonany.
Catégorie : Actualité
-

PODCAST – FIATREHANA NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Ilaina ny mitandrina mba hampitony ny saina
FIATREHANA NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Ilaina ny mitandrina mba hampitony ny saina hoy ny psychologue
Manoloana ny fahamehana ara-pahasalamana, misy ireo miasa saina, indrindra amin’ny fomba iatrehana azy. Araka ny nambaran’i Koloina Andrianilaina, psychologue clinicienne, izay natoninay, dia ny fahatonian-tsaina sy ny fahamalinana no ilaina voalohany indrindra entina miatrika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Rehefa malina dia mora kokoa ny miatrika ny asa izay atao andavanandro. -

VAOVAO – MINUTE FLASH 25 MAY 2020
– CORONAVIRUS : Olona 15 hafa mitondra ny tsimok’aretina, dimy ireo sitrana
– CORONAVIRUS : Hidina any Toamasina indray ny Filoha Andry Rajoelina rahampitso
– FIAROVANA AMIN’NY CORONAVIRUS : Mitsahatra ny fitaterana olona mampitohy ny faritra Androy sy ireo faritra hafa -

PODCAST : KAOMPANIA TSARADIA – Mbola afaka nitazona ireo mpiasa rehetra hatreto
Na dia efa miroso amin’ny fanesorana mpiasa aza ireo kaompaniam-pitaterana an’habakabaka maro maneran-tany nohon’ny fijanonan’ireo sidina rehetra vokatry ny valan’aretina Coronavirus dia mbola afaka nitazona ny azy ihany ny kaompania Tsaradia. Manantena ny fisokafan’ny lanitra nefa izy ireo mba hahafahana manohy izany.
-

TOE-KARENA : « Nolavin’ny Fanjakana ny tolo-kevitra fanohanana ny mpiasa » hoy Thierry Rajaona
Mahatsiaro tsy mahita mangirana amin’ny fanohanana ny orinasa sy ny mpiasa tsy miankina amin’izao fisian’ny areti-mifindra covid 19 ny Fikambanam-ben’ny orinasa eto Madagasikara na Groupement des entreprises à Madagascar (GEM) raha mihaino ny tafa nataon’ny filohany, Thierry Rajaona. Mbola manantena fiaraha-midinika hitadiavana vahaolana amin’ny Fanjakana anefa izy ireo.
-

PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany
PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany : Ny fiandrianam-pirenena no ambony hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina.
Namaly ny UNESCO na ny sehatra misahana ny fampianarana, ny kolontsaina ary ny siansa eo anivoan’ny firenena mikambana ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo mahakasika ny fampidirana ny tanana avon’Antananarivo ho vakoka maneran-tany. Ho an’ity mambran’ny governementa ity dia misy zavatra manan-danja kokoa noho izany.




