Amin’izao an-katoky ny fankalazana ny Pentekosta izao, efa manomana ny fandaminana amin’ny fizotry ny fotoam-pivavahana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fiangoanana tsirairay. Na eo aza ny fisian’ny fahamehana ara-pahasalamana dia misy ny misafidy ny hanao fidirana maromaro, ao kosa ireo mampiasa ireo fitaovan-tserasera handefasana mivantana ny fotoam-pivavahana. Fanadihadiana
Catégorie : Actualité
-

Volavolan dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana
Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana, miandry fatratra ny fahatongavany ny solombavambahoaka
Tsy mbola tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana raha ny androany 28 may, raha araka ny fanambaran’i Norbert Mamangy, solombavambahoaka voafidy tany Sambava. Raha ny tetiandro ao anaty lahadinika anefa dia efa tokony niditra asam-baomiera io volavolan-dalàna io. Nilaza ny Praiminisitra Christian Ntsay fa mbola misy pitsopitsony tsy maintsy dinihina momba azy io satria tsy maintsy ampanarahana ny zava-misy aterak’izao valan’aretina coronavirus izao. -

VAOVAO – MINUTE FLASH 28 MAY 2020
– CORONAVIRUS : 44 ireo voatily fa mitondra ny tsimok’aretina, telo no sitrana
– SOLIKA : Tsy hidina ny vidiny
– LALÀNA MOMBA NY FITANTANAM-BOLA: Mihevitra hanova andininy vitsivitsy ny Praiminisitra -

FAHASALAMAM-BAHOAKA : Omena tosika ara-tsaina ireo mpitsabo ao Toamasina
Mandalo ady sarotra ireo mpitsabo any Toamasina, noho ny fahasarotan’ny asan’izy ireo. Manoloana izany, dia nilaza ny Dr Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa hisy ny fanohanana ara-tsaina na « soutien psychologique » omena azy ireo, mba hahafahany manatontosa ny asany an-tsakany sy an-davany. -

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 38
– Amboditsiry : 16h45– Ambatomainty : 16h50– Ampasapito : 17h05– Andraisoro : 17h15– Besarety : 17h30– 67ha : 17h50– Andavamamba : 18h00– Anosibe : 18h10 -

FANADINANA ANDRANA CEPE SY BEPC : Mbola tsy fantatra ny fotoana hanatanterahana azy eto Antananarivo
Anisan’ireo sehatra voakasika mivantana amin’ny fahamehana ara-pahasalamana ny fampianarana. Betsaka ireo programa nandritra ny taom-pianarana no tsy maintsy nasiana fanovana ka anisan’izany ny fanatanerahana ny fanadinana andrana CEPE sy BEPC eny anivon’ireo sekoly eto Antananarivo Renivohitra.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 27 MAY 2020
– CORONAVIRUS: Miisa 26 ireo votatily fa mitondra ny tsimok’aretina, efatra no sitrana
– CORONAVIRUS: Manomboka eto Antananarivo sy ao Toamasina ny essais cliniques amin’ilay fanafody tsindrona vaovao
– FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA: Tsy hisy ny afomanga



