Catégorie : Actualité

  • TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    Mitotongana, izay no azo amehezana ny vidin’ny lavanila maitso amin’izao fotoana izao any Ambanja. 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra arak any tatitra nataon’ny Honoré, mpividy lavanila maitso, raha toa ka nanodidina ny 170 000 ka hatramin’ny 220 000 ariary izany tamin’ny taon-dasa.
    Ahiana hitovitovy amin’izany miseho any Sambirano izany ihany ny mety hiseho any amin’ny faritra SAVA, izay mbola miandry fisokafan’ny tsena ny 15 jolay, raha araka ny fanamabarana nataon’ny Zakir Houssen Mamodaly, filohan’ny tranoben’ny varotra SAVA.

  • Jirama : lamina vaovao no anton’ilay faktiora roa tonga ny volana may

    Jirama : lamina vaovao no anton’ilay faktiora roa tonga ny volana may

    Mitaraina amin’ny fisiana faktiora roa samy hafa tonga any aminy ireo mpanjifa ho an’ity volana may ity. Nanazava ny teo anivon’ny orin’asa Jirama fa fandaminana vaovao napetraka hialana amin’ny filaharam-be eny anivon’ireo toeram-pandoavam-bola no anton’izany.

  • MINUTE FLASH 30 MEY

    MINUTE FLASH 30 MEY

    – CORONAVIRUS : Nohalavaina 15 andro ny « hamehana ara-pahasalamana »
    – CORONAVIRUS : Vehivavy iray namoy ny ainy tany Toamasina, nahatratra 60 ny tranga vaovao
    – LAVANILA MAITSO : Afaka manao fangatahana manokana ireo tantsaha manana lavalina matoy alohan’ny daty fiotazana

  • KOLONTSAINA : Tsy marisika hitsidika mozea ny malagasy

    KOLONTSAINA : Tsy marisika hitsidika mozea ny malagasy

    Nikatona avokoa ireo tranom-bakoka rehetra teto Antananarivo nandritra izay roa volana nisian’ny aretina coronavirus izay. Ny 5 may teo dia nisy ireo nana-pakevitra nanokatra ny varavarany saingy tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.

  • RAHARAHA PR STEPHANE RALANDISON : Maneho firaisankina ireo mpitsabo

    RAHARAHA PR STEPHANE RALANDISON : Maneho firaisankina ireo mpitsabo

    Na tany Toamasina na teto Antananarivo dia naneho firaisankina ireo mpitsabo manoloana ny raharaha mampisaringotra ny Pr Stéphane Ralandison. Ity farany izay voarohirohy amin’ny raharaha nahafaty ilay dokotera iray nitondra ny Coronavirus tao amin’ny Hopitaly Morafeno Toamasina.

  • Tsy nisy ny fampiakarana ny Profesora Ralandison eo anivon’ny fampanoavana hoy ny Fitsarana

    Tsy nisy ny fampiakarana ny Profesora Ralandison eo anivon’ny fampanoavana hoy ny Fitsarana

    Tsy nisy ny fampiakarana ny Profesora Ralandison eo anivon’ny fampanoavana hoy ny Fitsarana ao Toamasina.
    Nanome fanazavana ny momban’ny fanadihadiana ny raharaha mahakasika ny profesora Stéphane Ralandison, nohadihadian’ny zandary tamin’ny nahafaty ny dokotera Daniel Randriamiarivonjy ny Tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina Thierry Lauret Rajaona androany Zoma 29 may tany an-drenivohitry ny faritra Antsinanana.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 29 MAY 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 29 MAY 2020

    – CORONAVIRUS : Niampy telo ny olona matin’ny coronavirus, tranga vaovao 42 voamarina
    – FITATERAM-BAHOAKA : Handoavana vola 400 ariary ka hatramin’ny 500 ariary ny famendrahana fanafody sy fakana gel désinfectant
    – PENTEKOSTA : Zandary miisa 1 000 hanara-maso ny fifamoivoizana manodidina an’Antananarivo

  • PODCAST – GEL DESINFECTANT : Mila arahina ny fepetra ara-pahasalamana hoy ny Olafitry ny mpitsaboa

    PODCAST – GEL DESINFECTANT : Mila arahina ny fepetra ara-pahasalamana hoy ny Olafitry ny mpitsaboa

    Nanambara i Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa tokony arahina ny fenitra ara-pahasalamana hoan’ny gel desinfectant. Tsy tokony latsaka ny 60% ny tahan’ny alikaola ao anatiny, raha tsy izany dia tsy miaro izy ireny hoy izy.

  • « IMMUNITE PARLEMENTAIRE » : Nifamaly ireo solombavambahoaka sasany sy ireo ministra.

    « IMMUNITE PARLEMENTAIRE » : Nifamaly ireo solombavambahoaka sasany sy ireo ministra.

    Nikorontana ny teny amin’ny Centre de Conférence Intenational Ivato ny alakamisy 28 may. Ny antony dia tsy nankasitrahan’ireo solombavamboahaka ny tatitra nataon’ireo ministra sasantsasany mahakasika ny tsy fahafahana manenjika ireo solombavambahoaka am-perin’asa