Tsy niresaka momba ny drafitra fanohanana ny sehatrasa marolafy ny ministry ny Fizahan-tany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetrandro nandritra ny fihaonany tamin’ny solombavambahoaka. Ny filoham-pirenena ihany no afaka mamaly ny fanontaniana mikasika izany, hoy izy tamin’ireo solombavambahoaka nanontany azy.
Catégorie : Actualité
-

TOAMASINA – Raikitra ny tora bato, nirefotra ny gazy mandatsa dranomaso tao Androranga
Nifandona tao Androranga-Toamasina ny mpitandro ny filaminana sy ireo mponina manodidina io alarobia tolakandro io. Naneho tsy fanekenny ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tamina lehilahy iray teny an-dalana ireto mponina ka raikitra ny tora-bato. Namaly tamin’ny gazy mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra ny mpitandro ny filaminana.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 03 JONA 2020
– CORONAVIRUS : Niampy 63 ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus, 10 no sitrana
– FANADINANA CEPE : Tontosa ny fisafidianana ireo laza adina ho an’ireo Cisco eto Analamanga
– FARITRA ATSINANA : Misy fepetra arahina ihany koa momban’ny fivezivezen’ireo olomanan-kaja -

PODCAST – FAMATSIANA – Vary 1400 taonina no tonga ao Tolagnaro hanampiana ny Faritra Anosy
PODCAST – FAMATSIANA – Vary 1400 taonina no tonga ao Tolagnaro hanampiana ny Faritra Anosy hiatrika ny fiakaran’ny vidin’entana
Hanamaivana ny vesatry ateraky ny fiakaran’ny vidin’entana ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran’i Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Varotra sy ny Indostria ary ny asatanana tany amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona ny talata faha-2 Jona. Vary 1400 taonina araka izany no nalefa tany Tolagnaro hiatrehan’ny mponina izay fiakaran’ny vidin’entana izany. -

TOE-KARENA – Nampiato ny asany ny 50%-n’ireo mpandraharaha amin’ny taotrano sy asa vaventy
Manahy ny hahafaty ny orinasa misehatra eo amin’ny tontolon’ny taotrano sy ny asa vaventy ny Sendikan’ireo mpandraharaha eo amin’ny taotrano sy asa vaventy (SEBTP). Ny 50%-n’ny mpikambana ao amin’ity sendika ity no efa nampiato ny asany hatreto.





