Nanambara I Joel Randriamandranto, minisitry ny Fitateterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetrandro nandritra ny fihaonana niaraka tamin’ny antenimieran-doholona fa hovelomina indray ny seranan-tsambo Ehoala ao Taolagnaro. Efa miasa amin’izany ny ministera amin’izao fotoana izao hoy izy.
Catégorie : Actualité
-

SOLIKA : Nihena hatramin’ny 40% ny fanjifana nandritra ny fihibohona
Vitsy ny fiara mivezivezy, nihena ihany koa ireo fiaramanidina mandeha. Nidina noho izany ny fanjifana solika nandritra ny fihibohona. Raha ny fanazavana azo dia tonga hatramin’ny 91 % izany fihenana izany hoan’ny karazan-tsolika sasany. Tsy nahitana fihenana kosa ny vidin’ny solika na dia nitotongana aza ny sandany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 44
Antananarivo 02 Juin 2020
– Mahamasina : 7h20
– Antaninarenina : 7h35
– Analakely : 7h45
– Behoririka : 7h 50
– Ankorondrano : 8h -

Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana ireo solombavambahoaka
Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana fanefitry ny coronavirus ireo solombavambahoaka
Tsy dia voaresaka loatra nandritra ny fihaonan’ireo solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny ny talata teo ny mahakasika ilay fanafody fanefitry ny coronavirus atao andrana klinika eto Madagasikara. Raha nanontaniana ireo solombavambahoaka dia misy ireo milaza tsy mahalala akory ny mahakasika io fanafody andrana io.
Nilaza anefa ny filoham-pirenena tamin’ny fitsidihana nataony tany Toamasina fa nanomboka ny alarobia 27 may teo no nanomboka io andrana klinika io. -

ARO-TAVA : Mampahatsiahy ireo fenitra tokony arahina ny Olafitry ny mpitsabo
Manoloana ny fiparitahan’ny aro-tava amin’izao fotoana izao, dia nampahatsiahy ny Olafitry ny mpitsabo, fa misy ny fenitra izay tokony harahina, mba hahafahan’izy ireny miaro tsara.





