SOLIKA – « Mbola maharitra valo andro ny tahirin-tsolika » namafisan’i Vonjy Andriamanga, minisitry ny Angovo, ny Rano, ary ny Akoranafo.
Catégorie : Actualité
-

AGRIVET : MANOHANA NY TANTSAHA AMIN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA
ANTSIRABE – Maro ireo tanora misehatra eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara. Olana iray tsy ahafahana mampivoatra io sehatra io ny tsy fahampian’ny traikefa. Nanao fidinana tany Antsirabe ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Sabotsy lasa teo, nanamafy ny famatsiana ho an’ireo tanora miofana eo amin’izany sehatra izany.
Ny orinasa Agrivet dia tsy mitsahatra ny manohana ny tantsaha any ambanivohitra amin’ny famatsiana masomboly sy zanak’akoho tsara kalitao entina mampiroborobo io seham-piarihana io.
-

SALON DE L’HABITAT : MANAO FIHENAMBIDY GOAVANA NY ORINASA SMTP
SALON DE L’HABITAT – SMTP : Manao fihenambidy goavana ny orinasa SMTP mandritra ny « Salon de l’Habitat », izay atao any Tanjombato hatramin’ny faran’ny herinandro izao. Ireo izay mividy fantsona isan-karazany na koa vokatra momban’ny loko dia hisitraka fandatsaha-bidy avokoa. Voakasik’izany ihany koa ny « pompes ».
-

FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA : NAINA ANDRIANTSITOHAINA TENY AMIN’NY BORIBORI-TANY FAHA ENINA
NAINA ANDRIANTSITOHAINA TENY AMIN’NY BORIBORI-TANY FAHA ENINA : Nidina teny amin’ny boribori-tany faha enina ny kandidà Naina Andriantsitohaina anio 18 oktobra. Nijery ny zavamisy marina eny an-toerana ary nihaino ny hetahetan’ny mponina ny tenany.
-

PODCAST – RAHARAHA AMBOHITRIMANJAKA
?AMBOHITRIMANJAKA – Jly Ravalomanana Richard – SEG : Fanazavana momban’ny « Raharaha Ambohitrimanjaka »
Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-nitranga marina teny Ambohitrimanjaka omaly hariva (17 octobre) ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Ravalomanana Richard.





