Hapetraka isaky ny fokontany sy « secteur » tsirairay avy ny komity Loharano, ka hiantsoana izay tsara sitra-po sy manana finiavana hampandroso ny firenena. Tsy ny ady amin’ny Coronavirus ihany mantsy no hilana azy ireo. Tsy ny olona rehetra noho izany no afaka hiditra ao anaty komity Loharano, fa tsy maintsy misy ny sivana hatao amin’izany. Anisan’ny manana andraikitra manokana ao anatin’izany ny sefo fokontany.
Catégorie : Régions
-

GARA ANDOHATAPENAKA : Nahatratra 9000 mahery ireo olona nandray fiara nody
9000 ny isan’ireo mpandeha namonjy ny toeram-podiana tao anatin’ny telo andro nisokafan’ny tobim-piantsonana teo Andohatapenaka. Maherin’ny 500 kosa ireo fiara nianga teo.
-

ANDRO FARANY HODIANA : Miha vitsy ireo mpandeha
Antananarivo 9 aprily 2020 – Manana ny antony manokana ireo mpandeha izay namonjy ny tobim-piantsonana ny 9 aprily 2020, andro farany hahafahan’ireo mponina mody any amin’ny toerana niaviany. Nizotra am-pilaminana ny teny amin’ny Gare Routière Maki Andohatapenaka tamin’ity andro fahatelo ity raha mitaha tamin’ireo andro roa voalohany.
-

MAKI ANDOHATAPENAKA : Manodidina ny 8000 ireo olona lasa tao anaty telo andro
Antananarivo 9 aprily 2020 – Androany ny andro farany nahafahan’ireo olona naniry ny hody tany amin’ny faritra nanao izany. Raha ny tatitra voaray dia manodidina ny 8000 ireo efa lasa tao anaty telo andro
-

FODIANA ANY AMIN’NY FARITRA : Mitohy ny fisisihana eny Andohatapenaka
Antananarivo 08 Aprily 10 ora
Andro faharoa ahafahan’ny olona mody any amin’ny faritra. Mbola manana ka hatramin’ny rahampitso, 9 aprily ireo olom-pirenena hamonjena ny toeram-pihaviany. -

NIBOSESIKA HODY IREO AVY ANY AMIN’NY FARITRA
Raha nanambara ny teo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana, ny 06 aprily 2020, fa mila mangataka fahazoan-dàlana mivoaka ny faritra ireo olona rehetra maniry ny hody any amin’ny tany niaviany, dia nofoanana izany tamin’ny fotoana farany. Ny famenoana amin’ny an-tsakana sy an-davany ny « Manifold » indray no entina manara-maso ireo mpandeha, raha araka ny fanazavan’i Joël Randriamandranto,minisitry ny Fitaterana. Nambara izy fa noho ny hamaroan’ny olona nirohotra teny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taxi-brousse tamin’ity andro androany ity no antony nametrahana izany fepetra izany.
Ho an’ireo koperativa kosa dia niezaka nametraka lamina mifanaraka amin’ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana izy ireo. Natao lahara-pahamehana ny fanajana ny toromarika ara-pahasalamana. Nilaza ny mpiandraikitra iray amin’ny kaoperativa fa ezahana ny hanomezana fahafaha-po ireo mpandeha.
-

FISOKAFAN’NY SIDINA ANATINY : Nilamindamina ny teny amin’ny seranam-piaramanidina ivato
Antananarivo 07 aprily 2020
Misokatra hoan’ny sidina anatiny mandritra ny telo andro ny seranam-piaramanidina Ivato. Mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus anefa dia misy ireo fepetra maro noraisina. -

??? UNE JOURNÉE ANIMÉE À ANDOHATAPENAKA
Antananarivo 07 avril 2020
Le premier jour des « départs exceptionnels » en provinces en ces temps de confinement a été mouvementé à la gare routière Maki. -

FODIANA ANY AMIN’NY FARITRA : Mangataka fanamboarana amin’ny fifandaminana ireo mpitatitra
Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny fahafahana miverina any amin’ny faritra, tsy mitsahatra ny mivory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Mbola misy ihany anefa ny manjavozavo mahakasika ny fandaminana. Manana soso-kevitra sy hetaheta ireo mpamily fiara amin’ny zotra nasionaly mahakasika izany.
-

FIFAMOIVOIZANA : Mirohatra eny amin’ny fiantsonan’ny taxibrousse eny Andohatapenaka ny mpandeha
Antananarivo 06 avril
Rakotra olona eny amin’ny “gare Maki” eny Andohatapenaka. Mifandrombaka manararaotra mody ireo olona izay tavela eto Antananarivo. Maro amin’izy ireo no tsy mipetraka eto an-drenivohitra fa sendra nanatitra entana ka tavela noho ny fihibohana.
