Volon’andro fety Antananarivo. Mangingina ny teny afovoan-tanàna. Andro tsy fiasana. Na izany aza, nisy ihany ireo tsena sy toeram-pivarotana nisokatra, nahafahan’ireo tsy mbola nahavita ny tsenany tamin’ny faran’ny herinandro nividy izay mbola azo novidiana.
Catégorie : Culture
-

VOAMBOLANA – Tsy voatery ho « tsara » na « ratsy » foana no ilazana ny zavatra « tsara » sy ratsy »
https://youtu.be/92zsjOpFVj0
Tsara ny lalana. Tsara fofona ny sakafo. Tsara tarehy ny vehivavy. Tsy voatery foana anefa isika hampiasa ny teny hoe tsara raha haneho ny fahatsarana. Misy teny maro ahafahantsika maneho izany hatsarana izany. Araho indray ny leson’Ingahy Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, hiresaka momba ny teny fanova sy ny teny maro sosona.
-

SAKAFO – Mofo gasy, tsiro gasy, hanitra gasy
Tsy nahandro ampangoro ihany no fomba fahandro sy fomba fikarakaran’ny Malagasy ny vary. Rehefa avadiny ho koba voatoto malemy tsara iny vary dia ahavitany mofo tsy mena-mitaha amin’ny mofo vita amin’ny lafarinina. Mofo gasy, mokary, ramanonaka … kobam-bary avokoa ny akora fototra. Ny singa hafa afangaro aminy sy ny fomba fahandro azy no samy hafa. Nisy koa ireo mpikarakara nanatsara sy nanome tsiro hafa ireo mofo mahazatra. Mofo gasy ihany satria vita amin’ny akora fototra kobam-bary, saingy misy tsirony hafa kokoa.
-

FIHAINGO – Aiza no asampy ny lamba raha hianjaika sy haneho hafaliana?
https://youtu.be/ACeYXOgMYZA
Ny lamba no singa anehoana ny maha-Malagasy ankehitriny rehefa takiana ny fanaovana fihaingo sy fitafy malagasy rehefa hianjaika. Miverina mitafy lamba ny Malagasy raha toa ka nisy fotoana efa saika nanary mihitsy izany lamba izany. Tsy isalotsaloram-poana anefa ireny lamba ireny fa mifono hevitra sy maneho fihetseham-po. Hafa ny fomba itafiana azy rehefa tezitra, hafa ihany koa rehefa te haneho hafaliana. Sary sy loharanon-kevitra avy any amin’ny Arsivam-pirenena no nandrantoanay ny torohay, mety hanampy anao rehefa hianjaika ianao mandritra ny Asaramanitra.
-

TENY MALAGASY – Rakibolana, mirakitra harena, mirakitra ny maha-firenena
Fantatrao ve hoe inona avy ny asa be atao vao vita ireny Rakibolana – Rakipahalalana ireny ? Tsy ny fanontana azy fotsiny, fa ny fandrafetana azy mihitsy, manomboka amin’ny fisafidianana ny teny ampidirina ao, sy ny fankatoavana ary ny fanazavana azy. Araho anie ny fanazavan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy, filoha lefitry ny Akademia malagasy sy Oliva Ramavonirina avy ao amin’ny Foibe momba ny teny.
-

FITSIPI-PITENENANA – Azo atao ve ny mampiasa ny teny hoe afaka alohan’ny matoanteny atao?
Fiteny ve sa tsy fiteny ny hoe « afaka atao »? Azo atao ve ny mampiasa ny teny hoe « azo » alohan’ny matoanteny mpanao ? Henoy anie ny fomba hanazavan’i Nalisoa Ravalitera mpanoratra sady mpampianatra ny tokony hampiasana ny « azo » sy ny « afaka » e.




