Mankalaza ny andro eran-tany ho an’ny poezia, anio 21 martsa, ihany koa ny poeta sy mpanoratra malagasy. Maro ny hetsika nentina nankalazana azy io. Anisan’ireny ny nataon’ny HAVATSA-UPEM teo anoloan’ny Tahala Rarihasina izany nampitondrainy ny lohateny hoe : « Nanao tabataba ». Antsan-tononkalo no nifampizarana teto. Afaka nandray anjara tamin’ny hetsika avokoa ny rehetra.
Catégorie : Life
-

FAHASALAMANA : Mila fitandremana ny fisotroana mangidy
Tsy sotrosotroina fahatany ny mangidy. Na dia misy aza ny aretina mety ho sitran’ity tambavy ity, dia milaza ireo mpitsabo fa ilana fitandremana ny fisotroana azy. Atahorana ny mety ho fiantraikany eo amin’ny fahasalamana hoy ny Dokotera Rakotoarisoa noho izy tsy mba nandalo toeram-pitiliana. Tahaka ny tambavy rehetra na ny raokandro hohanina na sotroina tsy misy fatrany dia mety hanimba ny voa na ny aty ny mangidy, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
« Tsy dia mety loatra ny mametraka fitokiana tanteraka amin’ny tambavy eo amin’ny lafiny fitsaboana », hoy indray ny Dokotera Josette Rakotohery Soaharinindrainy, manam-pahaizana manokana momba ny tontolon’ny sakafo. « Na inona na inona fanafody dia tsy azo antoka foana raha vao tsy nandalo toeram-pitiliana », hoy ny fanazavana nentiny. Ny fanatonana hatrany manam-pahaizana manokana na ireo nianatra momba ny fitsaboana, na ny fitsaboana nentim-paharazana na ny fitsaboana maoderina, no torohevitra entin’ity mpitsabo ity amin’ireo marary raha vao misy ny trangan’aretina. Matetika, hoy izy, dia ny fahatarana amin’ny fanatonana toeram-pitsaboana no mahatara ny fahasitranana na mitarika fitaran’ny aretina.
Maro anefa ireo Malagasy mbola manankina ny fahasalamany sy ny toe-batany amin’ny tambavy. Mirana milaza fa isaky ny mifanena amin’ny mpivarotra mangidy izy dia tsy maharitra fa manendry iray kaopy foana. « Maro ny fangaro anatin’ny mangidy, anisan’izany ny aferontany izay singa mandanjalanja ny fatran’ny siramamy ao amin’ny vatana », hoy ny tovovavy manazava ny faharisihany misotro ilay tambavy.
« Karazana raokandro manasitrana aretina maro ao anaty vatana no hita ao anaty mangidy », hoy indray Andry, raha nanontaniana. Aleoko, hoy izy « misotro mangidy toy izay hamonjy dokotera raha mbola aretina vitan’ny tambavy ». Taizan’aretina rahateo ny tenany raha ny filazany ka « manampy ahy amin’ny fitaizana vatana ny fisotroana mangidy », hoy hatrany izy.
Ny fahafahan’ny hozatra mihenjana sy ny fahataitairana entiny amin’ny vatana no antony iray hitiavan’ny lehilahy, indrindra ireo mampiasa vatana, ny mangidy. « Rehefa ilay hiari-tory iny na hiatrika asa mafy dia manampy amin’ny fihenjanan’ny hozatra ny mangidy », hoy ihany i Andry. « Aleo, hoy izy namarana, misotro mangidy, toy izay hihinana fanafody simika ». Ny mangidy izay vokatra voajanahary kokoa saingy ilana fanaraha-maso sy fetra mazava vao azo itokisana, araka ny voalazan’ny mpitsabo.
-

JOURNÉE INTERNATIONALE DE LA FRANCOPHONIE
« En français… s’il vous plaît », c’est sous ce slogan que 80 pays repartis sur les cinq continents célèbrent, ce 20 mars, la Journée Internationale de la Francophonie. À cette occasion, l’Ambassadeur Représentant régional de la Francophonie, Malik Sarr a mentionné, à Anosy, que la jeunesse et la femme constituent les leviers d’action de cette organisation. « La francophonie accompagne les jeunes dans leurs projets et les aide à franchir les étapes », lance-t-il.
-

LE BLOGGING SE DÉVELOPPE À MADAGASCAR
Le blogging commence à occuper une grande place dans la société malgache. Plus qu’un outil de communication, celui-ci constitue un moyen d’expression et un vecteur de changement, pour certains jeunes passionnés de l’écriture et de technologie. Certains en font même un métier. Pourquoi créer un blog ? Quels sont les avantages ? Est ce que cela prend du temps ? Tiasoa et Rindra ont accepté de répondre à ces questions. Témoignages.
-

KORONTAM-BOLO
Korotam-bolo, un événement dédié autour du monde capillaire, se déroule le 9 et 10 mars au Cercle Franco Malagasy à Anosy. Le but est de mettre en valeur les cheveux.
-

VITA MALAGASY, UN AUTRE ANGLE AVEC LA MODE
Trop souvent nous entendons des propos négatifs liés à la notion de « Vita Malagasy ». Cela est pourtant loin d’être le cas dans la mode par exemple, où des créateurs tendent à revaloriser le terme. Rencontres.
-

LE MARCHÉ AUX LIVRES D’AMBOHIJATOVO FACE À L’ÉVOLUTION TECHNOLOGIQUE
Le développement d’internet révolutionne tous les secteurs, y compris à Madagascar. C’est le cas actuellement même pour le marché aux livres d’Ambohijatovo. Témoignages de propriétaires de kioques.



