Catégorie : Recommandations
-

BAOLINA KITRA – Mitarika vonjimaika ny Vondron-tarika Atsimo ny CFFA
Antananarivo, 21 Febroary, 2ora07 – Niova ny ekipa mitarika ao amin’ny Vondron-tarika Atsimo amin’ny fifaninanam-pirenena Pro League amin’ny baolina kitra. Mitarika vonjimaika indray ny CFFA izay manana isa 17 taorian’ny nandreseny ny Zanakala FC (1-0) ny sabotsy teo. Manatombo isa roa amin’ny Disciples FC ity ekipan’ny kaominina Andoharanofotsy ity. Ny Disciples FC izay tsy nahavita afa-tsy ady sahala manoloana ny Dato FC.
Mijanona ho fahatelo eo amin’ny filaharan’ny Vondron-tarika ny Dato FC. Manaraka azy ny Elgeco Plus izay azo lazaina fa tafaverina anaty fifaninana rehefa nibata fandresena manoloana ny Mama FCA (2-0). Isa efatra sisa no manelanelana ny ekipa volom-boasary izay mbola tokona hanana lalao roa amboniny amin’ny CFFA.
Nivarina any amin’ny laharana fahadimy kosa ny Mama FCA rehefa resy in-droa nifanesy taorian’ny andro fahasivy raha toa ka tany amin’ny laharana voalohany no nisy azy taorian’ny andro fahadimy. Manalavitra ny fahafahana milalao ny dingana Play-offs ry zareo Zanakala FC, laharana fahenina miaraka amin’ny isa sivy.
Efa tsy heverina hanana reziky ho tafiditra mihitsy ao anatin’io dingana play-off mihitsy io intsony kosa ny ekipa roa avy any Toliara. Tsy manana afa-tsy isa enina ny 3FB izay fahafito miaraka, ary isa efatra kosa ny an’ny JFC izay farany ao amin’ny vondron-tarika.
Efa sarotra azo kosa ny Fosa Juniors ao amin’ny vondron-tarika avaratra. Miroso hatrany mankany amin’ny dingana play-off ity ekipan’i Mahajanga ity. Isa valo no manelanelana azy amin’ny ekipa laharana faharoa taorian’ny nibatany fandresena manoloana ny Uscafoot (3-1).
Mbola mafy ny ady ho amin’ny laharana faharoa ao amin’ity vondron-tarika ity. Nahazo tombony ny Cosfa taorian’ny nandreseny ny ekipan’ny Five FC (2-1) sy taorian’ny ady sahala nifanaovan’ny AS Fanalamanga sy ny Jet Kintana (3-3). Isa 15 araka izany ny an’ny ekipan’ny miaramila raha toa ka isa 14 ny an’ny AS Fanalamanga.
Sarotsarotra kosa ny toerana misy ny Ajesaia. Mbola resy indray ny ekipan’Antaninkatsaka raha nihaona tamin’ny Tia Kitra (2-1). Any amin’ny laharana fahadimy sisa araka izany Ajesaia sy ny isa 10-ny raha toa ka tafiakatra any amin’ny laharana fahenina ny Tia Kitra manana isa sivy. Ny Five FC no mitana ny laharana farany ao amin’ny vondron-tarika avaratra, isa enina, aorian’ny Jet Kintana manana isa valo. -

FOOTBALL – Le CFFA de nouveau à la tête de la Conférence Sud de la Pro League, Elgeco Plus se relance
FOOTBALL – Le CFFA de nouveau à la tête de la Conférence Sud de la Pro League, Elgeco Plus se relance
-

METEOROLOGIE – Le point d’impact d’Emnati se déplace un peu plus au Sud selon les prévisions de Météo Madagascar, alerte jaune sur le Centre-Sud, l’Est et le Sud-Est de la Grande île
Antananarivo, 21 Février, 9h35 – Le trajet d’Emnati a légèrement changé. Selon le bulletin publié ce lundi matin par Météo Madagascar, le point d’impact du cyclone tropical intense est prévu se trouver un peu plus au Sud, entre Vatomandry et Farafangana, mardi après-midi. Il était pourtant annoncé par la directrice générale de la météorologie dimanche que le point d’impact se trouverait entre Vatomandry et Manakara.
Emnati a d’ailleurs repris des forces si elle s’est légèrement affaiblie dans la nuit du dimanche à lundi. Elle est à nouveau devenue un cyclone tropical intense à 6h ce lundi matin avec des vents moyens de 165km/h contre 155km/h quelques heures plus tôt. Les rafales atteignent également 230km/h, et elle se déplace vers l’Ouest avec une vitesse de 9km/h.
Emnati est encore prévue atterrir à Madagascar au stade de cyclone tropical intense mardi, selon les prévisions de Météo Madagascar. Les vents moyens seront alors de 180km/h. Les régions d’Analanjirofo, d’Atsinanana, de Vatovavy, de Fitovinany, d’Atsimo Atsinanana, d’Anosy, de Vakinankaratra, d’Amoron’i Mania, de Haute Matsiatra, d’Ihorombe et de Mangoro ainsi que les districts de Manjakandriana et d’Andramasina sont placés en alerte jaune. Les districts d’Anjozorobe, d’Antananarivo Avaradrano, d’Antananarivo Atsimondrano, d’Antananarivo Renivohitra, d’Ambohidratrimo, et les régions d’Alaotra, d’Itasy, de Menabe, d’Atsimo Andrefana et d’Androy sont placés en alerte verte. -

TOETRANDRO – Somary nikisaka mianatsimo kokoa ny faritra heverina hidiran’i Emnati eto Madagasikara raha ny tomban’i Météo Madagascar, mahazo filazana fanairana mavo ny faritra Afovoany Atsimo sy ny faritra Atsinanana ary Atsimo Atsinanan’ny Nosy
Antananarivo, 21 Febroary, 9ora10mn – Somary niova kely ny heverina fa lalan-kizoran’ny rivodoza Emnati raha ny vaovao nampitain’i Météo Madagascar tamin’ny 6 ora maraina teo. Nikisaka somary mianatsimo ny vinavina ka niova ho eo anelanelan’i Vatomandry sy i Farafangana indray ny faritra hidirany rahampitso talata tolakandro. Heverina hivoaka any an-dranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, manodidina an’i Ampanihy izy ny alarobia ho avy izao.
Efa niha-nahazo hery indray ihany koa i Emnati raha somary nihena kely ny tanjany ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy . 165km/ora ny herin’ny rivotra entiny tamin’ny 6 ora maraina teto Madagasikara raha toa ka nidina 155km/ora izy halina. Mahatratra 230km/ora ny tafiotra nentiny tamin’io ora io, ary mikisaka miankandrefana izy ary mahafaka 9km/ora.
Anatin’ny sokajy rivo-doza mahery vaika hatrany no heverina fa hidiran’i Emnati eto Madagasikara rahampitso talata raha ny vinavinan’ireo mpamantatra ny toetrandro. Hahatratra hatramin’ny 180km/ora ny heriny amin’izay fotoana izay.
Nitombo ireo faritra mahazo ny filazana fanaizana mavo ka anisan’izany ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Mangoro sy ny Distrikan’i Manjakandriana sy Andramasina. Fanairana maitso koa no mihatra amin’ny Distrikan’Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, sy ny Faritra Alaotra, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy. -

METEOROLOGIE – Emnati s’est légèrement affaibli mais est toujours prévu atterrir à Madagascar au stade de cyclone tropical intense mardi, selon Météo France Réunion
Antananarivo, 21 Février, 6h25 – Météo France Réunion indique qu’Emnati est déclassé temporairement au stade de cyclone tropical. L’intensité des vents maximaux qu’elle emmenait sont passés à 155km ces dernières heures, alors qu’ils avaient déjà atteint 175km/h dimanche après-midi.
Météo France Réunion continue néanmoins de parler d’un « puissant système » qui « présente actuellement des fluctuations d’intensité ». Le bulletin météorologique qu’elle a présenté ce lundi matin à 6h de Madagascar indique que le météore « se renforcera progressivement en journée et jusqu’à son atterrissage sur la côte Est de Madagascar, prévue en journée de mardi ».
La trajectoire d’Emnati a également connu un léger changement dans la nuit. Si le cyclone se déplaçait encore vers l’Ouest-Sud-Ouest dimanche après-midi, elle se déplace directement vers l’Ouest ce lundi matin. Sa vitesse de déplacement est de 11km/h.
Ce lundi matin, Emnati se trouvait à 390km au Nord-Nord-Ouest des côtes réunionnaises. Ses impacts continuent de se faire ressentir sur l’île française qui est placée en alerte rouge depuis dimanche soir. Les rafales sont proches de 90/100km/h sur les zones littorales et 120/130km/h sur les hauts. Elles sont même prévues atteindre jusqu’à 120km/h sur les zones littorales et 140km/h sur les hauts. -

TOETRANDRO – Somary nihena ny herin’i Emnati na dia mbola heverina hikasika an’i Madagasikara amin’ny tanjaka rivodoza mahery vaika ihany aza izy rahampitso talata, hoy Météo France Réunion
Antananarivo, 21 Febroary, 6ora57 – Nidina ho rivodoza « cyclone tropical » vetivety i Emnati raha efa niakatra ho « cyclone tropical intense » na rivodoza mahery vaika, hoy Météo France Réunion. Nihena ho 155km/ora ny rivotra entiny tato anatin’ny ora vitsy raha toa ka efa nahatratra 175km/ora izany ny alahady tolakandro.
Mbola sokajian’i Météo France Réunion ho rivodoza matanjaka ihany anefa izy, ary lazainy fa miovaova ny heriny ankehitriny. « Mbola hihamafy tsikelikely ihany anefa ny heriny mandritra ny tontolo andro mandra-pikasiny an’i Madagasikara amin’ny talata », hoy hatrany ny rafitra mpamantatra ny toetry ny andro frantsay.
Somary niova kely ihany koa ny zotran’ny rivodoza hatramin’ny alina. Raha toa ka niankandrefana somary Atsimo Andrefana ny lalany ny alahady tolakandro, dia mikisaka miankandrefana mihitsy izy io alatsinainy maraina io. Mahafaka 11km/or aizy amin’izany.
Teny amin’ny 390 km somary Avaratra-Andrefan’ny morontsiraka Avaratr’i La Réunion no nisy ny foiben’i Emnati io alatsinainy maraina io tamin’ny 6ora. Efa hatry ny alahady hariva no tafiditra anaty filazana mena i la Réunion saingy mbola misy fiantraikany amin’ny toetrandro ao amin’io Nosy frantsay io izy hatramin’ny alatsinainy maraina.
Raha ny voalazan’i Météo France Réunion dia 90 ka hatramin’ny 100km/ora ny tafiotra eny amin’ny faritry ny morontsiraka ary 120 ka hatramin’ny 130km/ora izany eny amin’ny faritra avo. Mety hahatratra 120km/ora mihitsy aza izany eny amin’ny morontsiraka, ary 140km/ora eny amin’ny faritra avo.Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana dia hisy dika amin’ny teny malagasy ny vaovao an-tsoratra eto amin’ny www.2424.mg. Araho tsy tapaka ao amin’ny www.2424.mg ny vaovao eto Madagasikara
-

CATASTROPHE NATURELLE – Emnati atteint le stade de cyclone tropical intense et s’approche de Madagascar avec des vents de 175km/h et des rafales atteignant les 245km/h
Antananarivo, 20 Février, 17h30 – Emnati continue de s’intensifier. Elle a atteint ce dimanche après-midi le stade de cyclone tropical intense, avec des vents moyens de 175km/h et des rafales atteignant les 245km/h. Son diamètre s’est encore élargi, et est désormais de 520km selon les données de Météo Madagascar. A 15h, son centre se trouvait à 657k m à l’Est-Nord-Est de Toamasina et elle se déplace vers l’Ouest-Sud-Ouest avec une vitesse de 11km/h.
Emnati est prévue toucher les côtes malgaches ce mardi. Le point d’impact reste encore incertain, mais Météo Madagascar l’évalue entre Vatomandry et Manakara. Dimanche matin, Nirivololona Raholijao a indiqué que cela pourrait se passer un peu plus au Nord du point d’impact de Batsirai d’il y a deux semaines. Elle devrait alors toujours être au stade de cyclone tropical intense avec des vents moyens de 170km/h.
Les conditions météorologiques sont prévues se dégrader dès ce dimanche soir le long des eaux côtières de l’Est par l’arrivée des houles cycloniques modérées autour de 3 mètres, précise Météo Madagascar. Pour l’instant, les districts du Sud de la région d’Atsinanana (Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampontsy et Marolambo), ainsi que les régions de Vatovavy, de Fitovinany et d’Atsimo Atsinanana sont placés en alerte jaune.
Les régions d’Analanjirofo, d’Alaotra Mangoro, de Vakinakaratra, d’Amoron’i Mania, de Haute Matsiatra, d’Ihorombe, d’Anosy ainsi que les districts de Toamasina I et II, d’Anjozorobe, de Manjakandriana, d’Antananarivo Avaradrano et d’Andramasina sont pour leur part placés en alerte verte.


