Hatreto aloha dia mbola tsy ara-dalàna ny fanamboarana, ny fivarotana ary ny fitaterana ny toaka gasy. Tsy neken’ireo loholona ny tolo-dalàna naroson’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Jean Brunelle Razafitsiandraofa momba io toaka gasy io. Ho fitsinjovana ny fahasalamana no antony tsy mbola anekena ity toaka gasy ity ho ara-dalàna, hoy ny loholona Herilaza Imbiki. Ny hahafahana mametraka ny fitsipika hifehy ity vokatra, izay tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina malagasy ary ampiasana Malagasy maro no antony tokony hananana lalàna mifehy azy, hoy kosa ny solombavambahoaka Jean Brunelle Razafitsiandraofa.
Catégorie : Reportages
-

FOMBA FITENY – Aza hadinoina fa ny teny disoina azo ahitsy
https://youtu.be/vt3TJgh7ws4
Matetika mihitsy isika mandiso rehefa miteny. Hoy isika hoe « aza hadino » nefa « aza hadinoina » no tokony ho fiteny azy. Na koa hoe « avoakao » nefa « avoahy » no marina. Mazàna koa isika miteny hoe « itovizana » nefa tsy tokony hisy « z » mihitsy raha ny tena izy. Fanitsiana sy fanazavana.








