Catégorie : Reportages

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 25 JONA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 25 JONA 2021

    – VALANARETINA : Olona iray no matin’ny Covid-19 tamin’ny 24 Jona, mbola misy 67 ireo marary miatrika fahasarotana
    – TSY FANJARIAN-TSAKAFO : Nizarana vary 50 kilao sy menaka iray litatra ireo fianakaviana tena marefo any amin’ny faritra Androy
    – ASARAMANITRA : Fitafy maneho ny lokon’ny sainam-pirenena malagasy no nanaovan’ny mpiara-miasa ao amin’ny Vondrona SMTP hanamarihana ny fetin’ny Fahaleovan-tena
  • FANDRIAM-PAHALEMANA – Ny Tafika malagasy sy ny endriny vaovao

    FANDRIAM-PAHALEMANA – Ny Tafika malagasy sy ny endriny vaovao

    Endrika vaovao sy rafitra vaovao no hasehon’ny Tafika malagasy mandritra ny matso lehibe izay hanamarihana ihany koa ny faha-61 taona nahaterahany. « Tafika manakaiky vahoaka » no heverina ho tanjona amin’izany fanovana izany. Fanazavana.

  • VOAMBOLANA – Tsy voatery ho « tsara » na « ratsy » foana no ilazana ny zavatra « tsara » sy ratsy »

    VOAMBOLANA – Tsy voatery ho « tsara » na « ratsy » foana no ilazana ny zavatra « tsara » sy ratsy »

    https://youtu.be/92zsjOpFVj0

    Tsara ny lalana. Tsara fofona ny sakafo. Tsara tarehy ny vehivavy. Tsy voatery foana anefa isika hampiasa ny teny hoe tsara raha haneho ny fahatsarana. Misy teny maro ahafahantsika maneho izany hatsarana izany. Araho indray ny leson’Ingahy Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, hiresaka momba ny teny fanova sy ny teny maro sosona.

  • SAKAFO – Mofo gasy, tsiro gasy, hanitra gasy

    SAKAFO – Mofo gasy, tsiro gasy, hanitra gasy

    Tsy nahandro ampangoro ihany no fomba fahandro sy fomba fikarakaran’ny Malagasy ny vary. Rehefa avadiny ho koba voatoto malemy tsara iny vary dia ahavitany mofo tsy mena-mitaha amin’ny mofo vita amin’ny lafarinina. Mofo gasy, mokary, ramanonaka … kobam-bary avokoa ny akora fototra. Ny singa hafa afangaro aminy sy ny fomba fahandro azy no samy hafa. Nisy koa ireo mpikarakara nanatsara sy nanome tsiro hafa ireo mofo mahazatra. Mofo gasy ihany satria vita amin’ny akora fototra kobam-bary, saingy misy tsirony hafa kokoa.

  • FITSIPI-PANORATANA- Tsy mitovy hono ny hevitry ny teny hoe « samy hafa » sy « samihafa »

    FITSIPI-PANORATANA- Tsy mitovy hono ny hevitry ny teny hoe « samy hafa » sy « samihafa »

    Mitovy fanonona fa sady tsy mitovy fanoratra no tsy mitovy hevitra ny « samy hafa » sy ny « samihafa ». Afangarontsika anefa izy ireo matetika ka raha « samy hafa » no tokony hosoratana dia « samihafa » no voasoratra. Manova ny hafatra tiana hampitaina anefa izany. Efa manome fotoana indray Ingahy Nalisoa Ravalitera mpampianatra hanoro antsika ny fampiasana azy. Samy hafa mihitsy ny « samihafa » sy « samy hafa » e. Hevitra samihafa no voiziny.
  • VAOVAO – MINUTE FLASH 24 JONA 2021

    VAOVAO – MINUTE FLASH 24 JONA 2021

    https://youtu.be/mpyY53Ei1ds

    – VALANARETINA- Tsy nisy ny matin’ny covid-19 teto Madagasikara ny 23 jona lasa teo, latsaky ny folo ny isan’ireo tranga vaovao
    – FETIM-PIRENENA- Nanolotra fanampiana ho an’ireo olona sahirana ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka ny vondrona SMTP
    – FANATANJAHAN-TENA- Hiatrika ny Lalao Olimpika any Tokyo i Damiella Nomenjanahary
  • ADMINISTRATION – Le ministère de la Santé publique évoque des raisons d’ordre administratif pour expliquer le retard de paiement des salaires du personnel soignant affecté aux Centres de traitement de Covid-19

    ADMINISTRATION – Le ministère de la Santé publique évoque des raisons d’ordre administratif pour expliquer le retard de paiement des salaires du personnel soignant affecté aux Centres de traitement de Covid-19

    Antananarivo, 23 Juin, 20h10 – Des problèmes au niveau des listes des recrues, dont des fautes d’orthographe des noms, ou encore des fiches de présence non conformes à celles affichées auprès du ministère. Les raisons évoquées par Dave Patrick Rakotomalala, directeur de cabinet du ministère de la Santé publique, pour justifier le retard de paiement du salaire du personnel affecté aux Centres de traitement Covid-19 (CTC-19) sont multiples.
    ⭕En réponse aux revendications exprimées mardi, il annonce que les démarches administratives pour débloquer ces salaires sont en cours, tout en précisant que de nombreuses étapes restent encore à suivre. « Le ministère de la Santé publique n’est pas la seule institution impliquée », ajoute-t-il, par ailleurs.
    ⭕Mardi, des membres du personnel soignant affectés aux CTC-19 ont manifesté pour revendiquer le paiement des mois d’arriérés de salaire. Comme le nombre de cas confirmés de Covid-19 est en baisse, le gouvernement a décidé de fermer ces centres de traitement à l’exception du Village Voara à Andohatapenaka.
    ⭕Face aux inquiétudes quant à l’avenir de ce personnel, le directeur de cabinet du ministre de la Santé publique a également rassuré ses membres qu’ils seront affectés dans les hôpitaux publics à la fin de leur mission dans le cadre de la Covid-19. Selon les promesses du ministre de la Santé publique au moment de leur recrutement, les professionnels recrutés dans le cadre de la lutte contre la Covid-19 devaient signer un contrat d’une durée d’un an.
  • VAOVAO MINUTE FLASH 23 JONA 2021

    VAOVAO MINUTE FLASH 23 JONA 2021

    VALANARETINA- Mbola misy ireo maty noho ny Covid 19, nisy roa izy ireo omaly talata
    FETIN’NY FAHALEOVANTENA – Olona 20 000 no ho afaka hanatrika mivantana ny matso lehibe eny Mahamasina
    26 JONA – 3300 no isan’ireo handray anjara amin’ny matso lehibe
  • FIHAINGO – Aiza no asampy ny lamba raha hianjaika sy haneho hafaliana?

    FIHAINGO – Aiza no asampy ny lamba raha hianjaika sy haneho hafaliana?

    https://youtu.be/ACeYXOgMYZA

    Ny lamba no singa anehoana ny maha-Malagasy ankehitriny rehefa takiana ny fanaovana fihaingo sy fitafy malagasy rehefa hianjaika. Miverina mitafy lamba ny Malagasy raha toa ka nisy fotoana efa saika nanary mihitsy izany lamba izany. Tsy isalotsaloram-poana anefa ireny lamba ireny fa mifono hevitra sy maneho fihetseham-po. Hafa ny fomba itafiana azy rehefa tezitra, hafa ihany koa rehefa te haneho hafaliana. Sary sy loharanon-kevitra avy any amin’ny Arsivam-pirenena no nandrantoanay ny torohay, mety hanampy anao rehefa hianjaika ianao mandritra ny Asaramanitra.

  • TENY MALAGASY – Rakibolana, mirakitra harena, mirakitra ny maha-firenena

    TENY MALAGASY – Rakibolana, mirakitra harena, mirakitra ny maha-firenena

    Fantatrao ve hoe inona avy ny asa be atao vao vita ireny Rakibolana – Rakipahalalana ireny ? Tsy ny fanontana azy fotsiny, fa ny fandrafetana azy mihitsy, manomboka amin’ny fisafidianana ny teny ampidirina ao, sy ny fankatoavana ary ny fanazavana azy. Araho anie ny fanazavan’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy, filoha lefitry ny Akademia malagasy sy Oliva Ramavonirina avy ao amin’ny Foibe momba ny teny.