Fanamarihana ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena sy ny nahaterahan’ny Foloalindahy.
Mivantana avy eny Mahamasina. Sary sy Feo : TVM
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=4046521142083558&id=110141410632992
Catégorie : À la une
-

FANDRIAM-PAHALEMANA – Ny Tafika malagasy sy ny endriny vaovao
Endrika vaovao sy rafitra vaovao no hasehon’ny Tafika malagasy mandritra ny matso lehibe izay hanamarihana ihany koa ny faha-61 taona nahaterahany. « Tafika manakaiky vahoaka » no heverina ho tanjona amin’izany fanovana izany. Fanazavana.
-

VOAMBOLANA – Tsy voatery ho « tsara » na « ratsy » foana no ilazana ny zavatra « tsara » sy ratsy »
https://youtu.be/92zsjOpFVj0
Tsara ny lalana. Tsara fofona ny sakafo. Tsara tarehy ny vehivavy. Tsy voatery foana anefa isika hampiasa ny teny hoe tsara raha haneho ny fahatsarana. Misy teny maro ahafahantsika maneho izany hatsarana izany. Araho indray ny leson’Ingahy Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, hiresaka momba ny teny fanova sy ny teny maro sosona.
-

SAKAFO – Mofo gasy, tsiro gasy, hanitra gasy
Tsy nahandro ampangoro ihany no fomba fahandro sy fomba fikarakaran’ny Malagasy ny vary. Rehefa avadiny ho koba voatoto malemy tsara iny vary dia ahavitany mofo tsy mena-mitaha amin’ny mofo vita amin’ny lafarinina. Mofo gasy, mokary, ramanonaka … kobam-bary avokoa ny akora fototra. Ny singa hafa afangaro aminy sy ny fomba fahandro azy no samy hafa. Nisy koa ireo mpikarakara nanatsara sy nanome tsiro hafa ireo mofo mahazatra. Mofo gasy ihany satria vita amin’ny akora fototra kobam-bary, saingy misy tsirony hafa kokoa.






