Mbola mitohy ny fandraisana an-tananana ireo olona marefo mandritra ny fahamehana ara-pahasalamana. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renivohitra, Lantoarijaona Rajaonson, dia efa nihena ny isan’ireo fianakaviana sahirana, noho ny antony samihafa.
Catégorie : À la une
-

Mila fandaharan’asa matotra avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina
Taorian’ny nandavan’ny governemanta ny « Plan de mitigation », na ilay drafitra novolavolaina hanavotana ny orinasa sy ireo mpiasa malagasy ao amin’ny sehatra tsy miankina noho izao valanaretina covid19 izao, dia miantso dinika maika miaraka amin’ny mpampiasa sy ny fitondram-panjakana ny CTM na Confédération des syndicats des travailleurs de Madagascar.
« Tsy misy afa-tsy io fihaonan’ny telo tonta io ihany no hahafahana mametraka vahaolana hanavotana ireo mpiasa very asa sy fidiram-bola vokatry ny valanaretina coronavirus », hoy i Rémi Henri Botoudi, Sekretera jeneralin’ny Sekrima sady mpandrindra ny CTM. Nanamafy ihany koa i José Randrianasolo, Sekretera jeneralin’ny Fisema, sady mpikambana ihany koa ao amin’ny CTM fa mila mifampizara andraikitra ny tsirairay mba tsy hilatsahan’ireo mpiasa anaty fahantrana lalina. -

VAOVAO – MINUTE FLASH 26 MAY 2020
– Coronavirus : Nahitana tranga ihany koa any Andilamena sy Ambatondrazaka, 44 ireo marary vaovao
– Toamasina : Niampy 29 mianadahy ireo mpitsabo hiady amin’ny valan’aretina coronavirus
– Vakinakaratra : Fiara mpitondra marary iray no saron’ny mpitandro filaminana nitondra mpandeha an-tsokosoko -

FANARENANA NY TOE KARENA : Mbola tsy misy ny drafitra hoy ny Praiministra
Mbola tsy misy ny drafitra entina manarina ny toe-karena hoy ny Praiministra Christian Ntsay, androany 26 may teny Ivato. Mbola tsy misy ary mbola tsy nandray fanapahan-kevitra mahakasina ny « Plan de mitigation » ihany koa ny governemanta hoy hatrany ny nambarany.
-

PODCAST : CORONAVIRUS – Tsy mbola misy mararin’ny coronavirus ireo voafonja 28 000 eto Madagasikara
Mahatratra 28 000 ireo olona voafonja eto Madagasikara ankehitriny. Tsy mbola misy mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus hatreto izy ireo raha ny fanambarana nataon’i Jhonny Richard Andriamahefarivo, minisitra ny Fitsarana, androany 26 may teny Ivato.
Hoan’ireo voaheloka ka tsy maintsy ampidirina am-ponja kosa dia hatoka-monina aloha izy ireo vao afaka ampidirina any amin’ny efitra tokony hitazonana azy. -

HOMEOPHARMA – Une solution naturelle pour lutter contre la grippe saisonnière
En cette période hivernale, luttons contre la grippe saisonnière de manière naturelle. Homéopharma, propose un nouveau kit antiviral à base de plantes malagasy, telles que le ravintsara, le niaoulli ou encore la spiruline.
-

CORONAVIRUS – Déconfinement partiel jour 37
– Ampefiloha : 7h15
– Mahamasina : 7h20
– Anosy : 7h30
– Antaninarenina : 7h35
– Isoraka : 7h45
– Tsaralalàna : 7h 50
– Analakely : 8h -

SOLARLAND MADAGASCAR : LE SOLAIRE, GAGE D’AVENIR
De nombreuses sociétés et particuliers choisissent aujourd’hui d’investir dans le solaire. La société Solarland Madagascar, filiale du Groupe Metaplasco, spécialisée dans les énergies renouvelables depuis de nombreuses années, bénéficie dune forte expérience dans le domaine. Nous sommes allés a leur rencontres.


