– CORONAVIRUS : Nohalavaina 15 andro ny « hamehana ara-pahasalamana »
– CORONAVIRUS : Vehivavy iray namoy ny ainy tany Toamasina, nahatratra 60 ny tranga vaovao
– LAVANILA MAITSO : Afaka manao fangatahana manokana ireo tantsaha manana lavalina matoy alohan’ny daty fiotazana
Catégorie : À la une
-

MINUTE FLASH 30 MEY
-

KOLONTSAINA : Tsy marisika hitsidika mozea ny malagasy
Nikatona avokoa ireo tranom-bakoka rehetra teto Antananarivo nandritra izay roa volana nisian’ny aretina coronavirus izay. Ny 5 may teo dia nisy ireo nana-pakevitra nanokatra ny varavarany saingy tsy maintsy manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.
-

RAHARAHA PR STEPHANE RALANDISON : Maneho firaisankina ireo mpitsabo
Na tany Toamasina na teto Antananarivo dia naneho firaisankina ireo mpitsabo manoloana ny raharaha mampisaringotra ny Pr Stéphane Ralandison. Ity farany izay voarohirohy amin’ny raharaha nahafaty ilay dokotera iray nitondra ny Coronavirus tao amin’ny Hopitaly Morafeno Toamasina.
-

Tsy nisy ny fampiakarana ny Profesora Ralandison eo anivon’ny fampanoavana hoy ny Fitsarana
Tsy nisy ny fampiakarana ny Profesora Ralandison eo anivon’ny fampanoavana hoy ny Fitsarana ao Toamasina.
Nanome fanazavana ny momban’ny fanadihadiana ny raharaha mahakasika ny profesora Stéphane Ralandison, nohadihadian’ny zandary tamin’ny nahafaty ny dokotera Daniel Randriamiarivonjy ny Tonian’ny fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina Thierry Lauret Rajaona androany Zoma 29 may tany an-drenivohitry ny faritra Antsinanana. -

VAOVAO – MINUTE FLASH 29 MAY 2020
– CORONAVIRUS : Niampy telo ny olona matin’ny coronavirus, tranga vaovao 42 voamarina
– FITATERAM-BAHOAKA : Handoavana vola 400 ariary ka hatramin’ny 500 ariary ny famendrahana fanafody sy fakana gel désinfectant
– PENTEKOSTA : Zandary miisa 1 000 hanara-maso ny fifamoivoizana manodidina an’Antananarivo -

PODCAST – GEL DESINFECTANT : Mila arahina ny fepetra ara-pahasalamana hoy ny Olafitry ny mpitsaboa
Nanambara i Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa tokony arahina ny fenitra ara-pahasalamana hoan’ny gel desinfectant. Tsy tokony latsaka ny 60% ny tahan’ny alikaola ao anatiny, raha tsy izany dia tsy miaro izy ireny hoy izy.
-

« IMMUNITE PARLEMENTAIRE » : Nifamaly ireo solombavambahoaka sasany sy ireo ministra.
Nikorontana ny teny amin’ny Centre de Conférence Intenational Ivato ny alakamisy 28 may. Ny antony dia tsy nankasitrahan’ireo solombavamboahaka ny tatitra nataon’ireo ministra sasantsasany mahakasika ny tsy fahafahana manenjika ireo solombavambahoaka am-perin’asa
-

FANKALAZANA NY PANTEKOTY : Samy manana ny fandaminany ireo fiangonana tsirairay
Amin’izao an-katoky ny fankalazana ny Pentekosta izao, efa manomana ny fandaminana amin’ny fizotry ny fotoam-pivavahana ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny fiangoanana tsirairay. Na eo aza ny fisian’ny fahamehana ara-pahasalamana dia misy ny misafidy ny hanao fidirana maromaro, ao kosa ireo mampiasa ireo fitaovan-tserasera handefasana mivantana ny fotoam-pivavahana. Fanadihadiana
-

Volavolan dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana
Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola nasim-panitsiana, miandry fatratra ny fahatongavany ny solombavambahoaka
Tsy mbola tonga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana raha ny androany 28 may, raha araka ny fanambaran’i Norbert Mamangy, solombavambahoaka voafidy tany Sambava. Raha ny tetiandro ao anaty lahadinika anefa dia efa tokony niditra asam-baomiera io volavolan-dalàna io. Nilaza ny Praiminisitra Christian Ntsay fa mbola misy pitsopitsony tsy maintsy dinihina momba azy io satria tsy maintsy ampanarahana ny zava-misy aterak’izao valan’aretina coronavirus izao.
