Catégorie : À la une

  • FETIN’NY FAHALEOVANTENA : Hikatona avokoa ireo tsena eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona

    FETIN’NY FAHALEOVANTENA : Hikatona avokoa ireo tsena eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona

    Fanatatra fa ho tanterahina eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny matso lehibe fanao ao anatn’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60-n’ny Tafika malagasy sy ny fetin’ny fahaleovantaona. Tsy maintsy hisy araka izany ny fandaminana eny an-toerana mahakasika ny tsena mba hahafahana manomana sy manatanteraka ny lanonana amin’ny an-tsakany sy ny an-davany. Nanambara ny lehiben’ny tsena eto Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hatsahatra avokoa ireo tsena rehetra eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona.

  • ? GALANA – OPERATION TAXI BE

    ? GALANA – OPERATION TAXI BE

    Nohon’ny fangatahan’ny mpandeha sy ny mpisehatra eo anivon’ny fitateram-bahoaka, Galana dia hanohy hatramin’ny 15 jona izao ( marihina moa fa ny 15 May teo no nanombohan’ity hetsika ity) ny hetsika fizarana GEL HYDROALCOOLIQUE? maimaimpoana ho an’ireo taxi-be tonga maka solika eny amin’ireo tobin-tsolika Galana⛽.
    Galana, miaro ny fahasalaman’ny mpandeha taxi-be?.

  • SOLIKA : Nihena hatramin’ny 40% ny fanjifana nandritra ny fihibohona

    SOLIKA : Nihena hatramin’ny 40% ny fanjifana nandritra ny fihibohona

    Vitsy ny fiara mivezivezy, nihena ihany koa ireo fiaramanidina mandeha. Nidina noho izany ny fanjifana solika nandritra ny fihibohona. Raha ny fanazavana azo dia tonga hatramin’ny 91 % izany fihenana izany hoan’ny karazan-tsolika sasany. Tsy nahitana fihenana kosa ny vidin’ny solika na dia nitotongana aza ny sandany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 44

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 44

    Antananarivo 02 Juin 2020
    – Mahamasina : 7h20
    – Antaninarenina : 7h35
    – Analakely : 7h45
    – Behoririka : 7h 50
    – Ankorondrano : 8h

  • Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana ireo solombavambahoaka

    Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana ireo solombavambahoaka

    Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana fanefitry ny coronavirus ireo solombavambahoaka
    Tsy dia voaresaka loatra nandritra ny fihaonan’ireo solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny ny talata teo ny mahakasika ilay fanafody fanefitry ny coronavirus atao andrana klinika eto Madagasikara. Raha nanontaniana ireo solombavambahoaka dia misy ireo milaza tsy mahalala akory ny mahakasika io fanafody andrana io.
    Nilaza anefa ny filoham-pirenena tamin’ny fitsidihana nataony tany Toamasina fa nanomboka ny alarobia 27 may teo no nanomboka io andrana klinika io.

  • ARO-TAVA : Mampahatsiahy ireo fenitra tokony arahina ny Olafitry ny mpitsabo

    ARO-TAVA : Mampahatsiahy ireo fenitra tokony arahina ny Olafitry ny mpitsabo

    Manoloana ny fiparitahan’ny aro-tava amin’izao fotoana izao, dia nampahatsiahy ny Olafitry ny mpitsabo, fa misy ny fenitra izay tokony harahina, mba hahafahan’izy ireny miaro tsara.

  • ZAPPING DU WEB

    ZAPPING DU WEB

    Une sélection de vidéos qui nous ont marqué ce mois de mai.

  • TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    Mitotongana, izay no azo amehezana ny vidin’ny lavanila maitso amin’izao fotoana izao any Ambanja. 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra arak any tatitra nataon’ny Honoré, mpividy lavanila maitso, raha toa ka nanodidina ny 170 000 ka hatramin’ny 220 000 ariary izany tamin’ny taon-dasa.
    Ahiana hitovitovy amin’izany miseho any Sambirano izany ihany ny mety hiseho any amin’ny faritra SAVA, izay mbola miandry fisokafan’ny tsena ny 15 jolay, raha araka ny fanamabarana nataon’ny Zakir Houssen Mamodaly, filohan’ny tranoben’ny varotra SAVA.

  • Jirama : lamina vaovao no anton’ilay faktiora roa tonga ny volana may

    Jirama : lamina vaovao no anton’ilay faktiora roa tonga ny volana may

    Mitaraina amin’ny fisiana faktiora roa samy hafa tonga any aminy ireo mpanjifa ho an’ity volana may ity. Nanazava ny teo anivon’ny orin’asa Jirama fa fandaminana vaovao napetraka hialana amin’ny filaharam-be eny anivon’ireo toeram-pandoavam-bola no anton’izany.