Fikatonana hatramin’ny iray volana no azon’ny mpivarotra eny amin’ny tsena ankalamanjana raha tsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana voafaritra izy ireo. Niverina nisokatra tamin’ity herinandro ity ny tsena eny ankalamanjana isan-kerinandro raha nikatona efa ho roa volana izay.
Catégorie : À la une
-

TSENA – Iharan’ny sazy ireo mpivarotra tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana eny amin’ny tsena
-

PODCAST – FOTO-DRAFITRASA : Hisy fahatarana ny fanamboaran-dàlana izay efa natomboka
Hisy fahatarana ny asa fanamboaran-dalana efa natomboka, toy ny any amin’ny lalam-pirenena faha-6 sy ny lalam-pirenena faha-13, hoy i Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta sy ny loholona teny Anosikely, ny talata faha-2 Jona. Nilaza izy fa miankina amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ny fanatanterahana izany asa rehetra izany.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 47
– Mahamasina : 7h45
– Antananarenina : 8h
– Behoririka : 8h15
– Ankorondrano : 8h30 -

PODCAST – KIANJAN’NY MASOANDRO : Azo atao tsara ny manorina foto-drafitrasa eo anivon’ny toerana manan-tantara
Nandritra ny fihaonan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta niaraka tamin’ny antenimieran-doholona ny talata 02 jona, dia nanambara i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fa azo atao tsara ny manorina foto-drafitrasa eo anivon’ny toerana manan-tantara hoy i Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Voarakitra ao anatin’ny “charte d’Athène” izany lalàna izany hoy izy.
-

TETI-BOLAN’NY GOVERNORA : Hasondrotra dimy lavitrisa ariary
Ao anatin’ny drafitry ny ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny fampiakarana ny teti-bolan’ireo governoran’ny faritra ho 5000 tapitrisa ariary ho an’ity taona ity. Mampametra-panontaniana ireo solombavambahoaka maromaro izany satria mbola tsy voafidy ireo governora miasa ankehitriny ary hanano sarotra ny fanaraha-maso izany vola izany.
-

PODCAST – FITATERANA : Ao anatin’ny programan’ny ministera ny famelonamana indray ny seranan-tsambo Ehoala ao Taolagnaro
Nanambara I Joel Randriamandranto, minisitry ny Fitateterana, ny fizahan-tany ary ny famantarana ny toetrandro nandritra ny fihaonana niaraka tamin’ny antenimieran-doholona fa hovelomina indray ny seranan-tsambo Ehoala ao Taolagnaro. Efa miasa amin’izany ny ministera amin’izao fotoana izao hoy izy.
-

Teratany malagasy arivo mahery tavela any ivelan’i Madagasikara
Teratany malagasy miisa 1 254 no tafahitsoka any ivelan’i Madagasikara raha ny tatitra navoakan’i Djacoba Liva Tehindrazanarivelo, minisitry ny Raharaham-bahiny, teny Ivato androany 02 jona. Tsy mazava tsara ny valintenin’ny fanjakana ny amin’ny fampodiana azy ireo. Nanamarika ny minisitra fa mila fiomanana ny fampodiana azy ireo.
-

BIRAOM-PANJAKANA : Mbola manomana ny fiveranana amin’ny laoniny ireo tompon’andraikitra
Nanamaivana ny asan’ny biraom-panjakana sasany ny tsy fisian’ny “service minimum” intsony. Hoan’ny sasany kosa dia tsy nanova, na inona na inona izany.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 02 JONA 2020
– CORONAVIRUS : 19 ireo voatily fa mitondra ny tsimok’aretina, 11 ireo sitrana
– CORONAVIRUS : Mampiato ny fampianarana ho an’ny kilasy fahasivy sy famaranana ny sekoly Sainte Famille Mahamasina
– KIANJA MASOANDRO : Azo ampiasaina hanarenana ny vakoka ny teknika fanamboarana maoderina hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
