Anisan’ireo fiara efa tranainy nefa maro mpitia ary be mpampiasa ny fiara 2CV sy 4L raha ny eto Madagasikara. Ny fiakarakarana atao amin’izy ireny no mbola mampijoro azy hatramin’izao raha ny filazan’ireo mpankafy.
Manoloana ny valan’aretina Coronavirus dia matahotra di atsy hisian’ny entana ireo mpivarotra. Maharitra enina na fito volana eo sisa ny tahirin’ireo mpivarotra entana avy any Chine. Mbola misy noho izany ny entana ho amidy amin’ny fety fa tsy hisy ny entam-baovao. Nilaza ny teo anivon’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale APMF fa ny fahatongavan’ny entana dia miankina amin’ny teotry ny sambo tsirairay avy.









