Hazan-dranomasina nampidi-doza. Olona iray no namoy ny ainy, efatra nampidirina hopitaly ary roapolo mahery arahi-maso akaiky ny fahasalamany noho ny fahapoizinana ara-tsakafo taorian’ny fihinanana hazan-dranomasina tao amin’ny distikan’i Mahanoro, tamin’ny 22 septambra. Tao amin’ny fokontany Manonilaza, kaominina ambanivohitra Masomeloka, no nitrangan’ny tranga ary hazan-dranomasina antsoina hoe “isotra” na “laokan-tsokina” no voalaza fa nohanin’izy ireo.
Nentina namonjy ny CSBII Masomeloka avy hatrany ireo olona efatra ireo taorian’ny fidinan’ny ekipan’ny fahasalamana teny amin’ny toerana nisian’ny tranga. Noraisina an-tanana tamin’ny alalan’ny tahirim-bola vonjimaika (“fonds d’urgence”) ihany koa ny momba azy ireo mba hiantohana ny fahasalamany. Tetsy ankilany, nohamafisina ny fanaraha-maso ireo olona roapolo mahery hafa nihinana ilay hazan-dranomasina.
Raha ny vaovao voaray avy an-toerana androany alakamisy dia olona roa sisa no mbola manaraka fitsaboana, raha efa nivoaka ireo roa hafa rehefa nahazo fitsaboana. “Roa sisa no tsaboina ato amin’ny hopitaly”, hoy ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Mahanoro. “Ny iray amin’ireo misy tazomoka miaraka aminy dia ny iray maka hery sisa”, hoy izy. Notsindriany fa “tsy misy ahiana ny ain’izy ireo fa ilay tazomoka no mbola hijanonany aty mandrapahatapitra an’ilay fanafody tazo. Vinavinaina hivoaka rahampitso izy ireo”
Manentana ny olona tsirairay mba ho mailo amin’ny sakafo hohaniny ny tomponandraikitra any an-toerana manoloana ity tranga ity. Nisy koa ny fanamafisana ny fanentanana momba ny fanaovam-baksiny sy ny fisorohana ny tazomoka, indrindra ny fampiasana ny lay misy ody moka maharitra.











