“Raha tsy misy mpividy eny an-tsisin-dalana dia tsy misy mpivarotra eny an-tsisin-dalana”. Mitodika manokana amin’ireo mpanjifa ny filohan’ny delegasiona manokana an’Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno. Notsindriany fa raha ny sitrapon’ny kaominina dia “ny mpividy indray no saziana ato fa tsy ny mpivarotra intsony satria samy tokony hanara-dalàna isika rehetra”. Saingy ny fanentanana kokoa aloha no handrian’ny sain’ny mpitantanana ny tanàna noho ny fanasaziana
“Ampirisihana mihitsy ny mpividy mba hiditra anatin’ny tsena”, hoy ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity raha nandalo teny Behoririka izy taorian’ny fandravana ireo tsena manamorona ny farihy eny an-toerana. “Rehefa tsy mividy eny ivelany ianareo dia tsy afaka hijanona eny ireny mpivarotra ireny”, hoy hatrany izy.
Tafiditra ao anatin’ny fandaminana sy fanadiovana ny tsena eny Behoririka amin’izao fotoana izao ity fanentanana ataon’ny kaominina ity. Nanapa-kevitra ny hamindra ireo mpivarotra teny amoron’ny farihin’i Behoririka ao amin’ny tranobe eny akaikin’ny tetezan’i Behoririka ny Fitantanana ny Tanànan’Antananarivo. Efa mivonombonona ny handà io fandaminana ireo mpivarotra sendra anay teny Behoririka androany zoma. Tsy mbola niroso tamin’ny famindrana ny tsenany ao anatin’ny tranobe akaikin’ny tetezana izy ireo.
