Mety tsy ho tratra ny tanjona amin’ny ady amin’ny kolikoly raha ovaina ny lalàna mifehy ny « pole anti-corruption », hoy i Harimahefa Ratiaraisoa, mpandrindra ny PAC. Anisan’izany hoy izy ny fanesorana tsy ho andraikitry ny PAC ny mahakasika ireo heloka ara-ekonomika, na koa ny fanafoanana ny fanagiazana ny fananan’ireo henjehin’ity fitsarana ity alohan’ny fanamelohana azy ireo. Nanazava ity mpandrindra ny PAC ity fa fepetra vonjimaika ihany io fanagiazana io ary afaka mametraka fanoherana izany ireo voampanga. Nomarihiny fa mety ho harena azo tamin’ny heloka enjehin’ny PAC no giazana ka izay no tokony hitazomana io fepetra io.
Tamin’ny volana Jona no nanolotra tolo-dalàna mitondra fanovana io lalàna mifehy ny PAC io ny solombavambahoaka Idealson. Tsy niandry ela ny governemanta taorian’ny nametrahana io tolo-dalàna io fa avy hatrany dia nanome ny fanamarihany. Nolanian’ny antenimieram-pirenena talohan’ny nifaranan’ny fivoriana ara-potoana ilay tolo-dalàna. Mbola nampiandry ny fandaniana azy kosa ny avy ao amin’ny Antenimieran-doholona.
Harimahefa Ratiaraisoa
Mpandrindra ny PAC
Harimahefa Ratiaraisoa, coordinatrice du Pôle anti-corruption, estime que les infractions économiques devraient rester parmi les compétences du Pôle anti-corruption. Elle soutient également que les dispositions légales relatives à la confiscation des avoirs avant la condamnation ne devraient pas être supprimées. Elle indique que les accusés peuvent toujours s’opposer à cette mesure.