PODCAST – FOTODRAFITRASA – Efa manome toky hanome lalana ireo distrika tsirairay ny Governoran’ny faritra Atsinanana

Milaza ho vonona ny hanatanteraka an-tsakany sy andavany ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika ny governoran’ny Faritra Atsinanana, Richard Rafidison. Nanome toky izy fa amin’ny volana Jolay dia efa tokony hahazo lalana vita amin’ny rarivato avokoa ny renovohitry ny distrika tsirairay ao amin’ny faritra iadidiany. Fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika tamin’ny Governora isam-paritra ny hanamboarana lalana mirary vato 10 kilaometatra isaky ny faritra
Quitter la version mobile