RN2 – Olona fito namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Moramanga

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizina ain’olona, tany Moramanga amin’ny lalam-pirenena faharoa. Androany, 13 oktobra, tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro mahery tany ho any no niseho ny loza. Olona fito namoy ny ainy, ary efatra naratra mafy, araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana, manao ny asa vonjy voina eny an-toerana.

“Olona fito no voamarina fa efa maty”, hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. “Enina maty teo noho eo raha tany amin’ny hopitaly no namoy ny ainy ny fahafito”, hoy ny loharanom-baovaonay nanohy ny fanazavana. Telo ny vavy, efatra ny lahy amin’ireo olona fito ireo. Nisy olona efatra maratra, mbola andalam-pitsaboana ka anisan’izany ny mpamily ny fiara taksiborosy.

Nisy ihany koa ireo mpandeha naratra kely, saingy ireo naratra mafy no nalefa notsaboina tany amin’ny hopitaly. Nambara fa mety halefa hotsaboina aty Antananarivo ireo naratra mafy raha ny vaovao voaray avy eny an-toerana hatrany.

Fifandonana teo amin’ny fiara vaventy sy fiara Sprinter mpitatitra olona no voalaza fa nahatonga ny loza. Taksiborosy avy any Toamasina hihazo an’Antananarivo no nifandona tamin’ny fiara vaventy avy aty an-drenivohitra rehefa nisongona fiara vaventy mitovy aminy. “Samy nitodika tamin’ny lalana iray mitovy ireo fiara taorian’ny fifandonana”, hoy ny mpitandro filaminana.

Etsy ankilany, mbola karohina kosa ny mpamilin’ilay fiara vaventy, izay voalaza fa tsy hita taorian’ny nitrangan’ny loza, araka ny fampitam-baovao voaray.

Commentaires

Laisser un commentaire