Étiquette : Coronavirus

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 12 JONA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 12 JONA 2020

    – CORONAVIRUS : Betsaka noho ireo voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ireo sitrana ho an’ny androany zoma
    – TOE-KARENA : Tsy hisy ny fihaonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina raha tsy vita ny ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana
    – IVATO : Nihemotra ny famaranana ny fanaovana ny tatitry ny Governemanta manoloana ny Antenimieram-pirenena

  • FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Nisafidy ny tsy hanamboatra harendrina ny mpanamboatra sasany noho ny fisian’ny Covid-19

    FETIN’NY FAHALEOVAN-TENA – Nisafidy ny tsy hanamboatra harendrina ny mpanamboatra sasany noho ny fisian’ny Covid-19

    Efa niomana ny amin’ny tsy hisian’ny fahafahana mitondra harendrina mandehandeha ny mpanamboatra sy mpivarotra ity kilalao ity amin’ity taona ity. Tao ny nisafidy ny tsy hanamboatra intsony. Ao ny mbola manantena fa hisy hividy ihany ny harendrina harehitra eny an-davarangana sy eny an-tokontany.

  • Artesunate, fanafody efa fampiasa iadiana amin’ny ny tazo mahery no anaovana andrana hitsaboana ny Covid-19.

    Artesunate, fanafody efa fampiasa iadiana amin’ny ny tazo mahery no anaovana andrana hitsaboana ny Covid-19.

    Fanafody avy amin’ny Artemisia, fampiasa amin’ny fitsaboana ny tazo mahery no hanaovana andrana eto Madagasikara hitsaboana ireo marary voan’ny Covid-19. Artesunate no anarany ary atsindrona amin’ny nofo na mivantana amin’ny lalan-dra no hanomezana azy ny marary. Samy andramana ny fiantraikany raha mandeha irery izy na raha ampiarahina amin’ny Vitamine C atsindrona. Mararin’ny Covid-19 manaiky an-tsitrapo sy ankalalahana ny andrana no tsaboina amin’ny Artesunate ary any amin’ny Tanàna Voara no andraisana azy ireo.

  • VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JONA 2020

    VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JONA 2020

    – CORONAVIRUS – Mihoatra ny 1200 ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto madagasikara
    – FANABEAZANA – Misy fanadihadiana mikasika ilay raharaha vatomamy 8000 tapitrisa miainga any anivon’ny Bianco sy any amin’ny Inspection générale de l’Etat hoy ny minisitra
    – TRANO MAY – Nirehitra ny tranon’ny orinasa mpanamboatra sigara tetsy Ambohimanambola

  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 53

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 53

    Antananarivo 11 Juin 2020
    – Mahamasina : 7h45
    – Ampefiloha : 8h
    – Ankorondrano : 8h45
  • CONFINEMENT : Le monde de la culture se met au numérique

    CONFINEMENT : Le monde de la culture se met au numérique

    La crise sanitaire a eu des impacts majeurs dans le domaine de la culture. Des galeries ont fermé leur porte et les artistes ne sont presque plus en contact direct avec leurs fans. Pour remédier à cette situation, les acteurs du monde culturel ont multiplié les offres numériques, afin de garder le contact avec leurs usagers.

  • CORONAVIRUS – Olona manodidina ny 60 natokamonina ao Brickaville

    CORONAVIRUS – Olona manodidina ny 60 natokamonina ao Brickaville

    Olona 56 tamin’ireo 59 nifanerasera tamina mpampiofana voamarina fa mitondra coronavirus no nanaovana fitiliana any Brickaville. Eo am-piandrasana ny valin’ny fitiliana dia efa natoka-monina izy rehetra ireo. Na izany na tsy izany, miahiahy fatratra ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.

  • CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 51

    CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 51

    Antananarivo 09 Juin 2020
    – Ankorondrano : 7h45
    – Behoririka : 8h
    – Anosibe : 8h30
    – Ianivato : 8h45
    – Anosy : 9h

  • Mitaky hiverina hiasa ireo mpamily sy mpisehatra eo amin’ny fitateran’olona amin’ny zotra nasionaly

    Mitaky hiverina hiasa ireo mpamily sy mpisehatra eo amin’ny fitateran’olona amin’ny zotra nasionaly

    Mitaky ny hanokafana ny tobim-piantsonan’ireo fiara mpitatitra olona amin’ny zotra nasionaly ireo mpitatitra sy mpamily taxi-brousse. Nanao hetsika ho fanairana manoloana ny Tobim-piantsonana Maki tery Andohatapenaka izy ireo io alatsinainy maraina io. Niteny ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana fa efa nisy ny fifampidinihana ka tokony hivadika hitatitra entana aloha izy ireo mandra-piverin’ny toe-java-misy ara-pahasalamana amin’ny laoniny.

  • VAOVAO : Minute flash 08 Jona 2020

    VAOVAO : Minute flash 08 Jona 2020

    – CORONAVIRUS : 42 ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina, 21 kosa ireo sitrana
    – ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY RANOMASIMBE : Mpanjono madinika 100 000 no misedra olana
    – RAHARAHA DR DANIEL RANDRIAMIARIVONJY : Mitaky ny hivoahan’ny marina ny fianakaviana