Étiquette : Coronavirus
-

FAHASALAMAM-BAHOAKA : Omena tosika ara-tsaina ireo mpitsabo ao Toamasina
Mandalo ady sarotra ireo mpitsabo any Toamasina, noho ny fahasarotan’ny asan’izy ireo. Manoloana izany, dia nilaza ny Dr Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa hisy ny fanohanana ara-tsaina na « soutien psychologique » omena azy ireo, mba hahafahany manatontosa ny asany an-tsakany sy an-davany. -

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 38
– Amboditsiry : 16h45– Ambatomainty : 16h50– Ampasapito : 17h05– Andraisoro : 17h15– Besarety : 17h30– 67ha : 17h50– Andavamamba : 18h00– Anosibe : 18h10 -

FANADINANA ANDRANA CEPE SY BEPC : Mbola tsy fantatra ny fotoana hanatanterahana azy eto Antananarivo
Anisan’ireo sehatra voakasika mivantana amin’ny fahamehana ara-pahasalamana ny fampianarana. Betsaka ireo programa nandritra ny taom-pianarana no tsy maintsy nasiana fanovana ka anisan’izany ny fanatanerahana ny fanadinana andrana CEPE sy BEPC eny anivon’ireo sekoly eto Antananarivo Renivohitra.
-

FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Misy ireo orinasa voatery manajanona ny mpiasa sasany ao aminy
Betsaka ireo orinasa misedra olana amin’izao fotoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana izao. Misy amin’izy ireny no voatery nanajanona ny mpiasa sasany ao aminy, nohon’ny tsy fahafahana mandoa ara-dalàna ny karaman’izy ireo intsony.
-

Mila fandaharan’asa matotra avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina
Taorian’ny nandavan’ny governemanta ny « Plan de mitigation », na ilay drafitra novolavolaina hanavotana ny orinasa sy ireo mpiasa malagasy ao amin’ny sehatra tsy miankina noho izao valanaretina covid19 izao, dia miantso dinika maika miaraka amin’ny mpampiasa sy ny fitondram-panjakana ny CTM na Confédération des syndicats des travailleurs de Madagascar.
« Tsy misy afa-tsy io fihaonan’ny telo tonta io ihany no hahafahana mametraka vahaolana hanavotana ireo mpiasa very asa sy fidiram-bola vokatry ny valanaretina coronavirus », hoy i Rémi Henri Botoudi, Sekretera jeneralin’ny Sekrima sady mpandrindra ny CTM. Nanamafy ihany koa i José Randrianasolo, Sekretera jeneralin’ny Fisema, sady mpikambana ihany koa ao amin’ny CTM fa mila mifampizara andraikitra ny tsirairay mba tsy hilatsahan’ireo mpiasa anaty fahantrana lalina. -

VAOVAO – MINUTE FLASH 26 MAY 2020
– Coronavirus : Nahitana tranga ihany koa any Andilamena sy Ambatondrazaka, 44 ireo marary vaovao
– Toamasina : Niampy 29 mianadahy ireo mpitsabo hiady amin’ny valan’aretina coronavirus
– Vakinakaratra : Fiara mpitondra marary iray no saron’ny mpitandro filaminana nitondra mpandeha an-tsokosoko -

PODCAST : CORONAVIRUS – Tsy mbola misy mararin’ny coronavirus ireo voafonja 28 000 eto Madagasikara
Mahatratra 28 000 ireo olona voafonja eto Madagasikara ankehitriny. Tsy mbola misy mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus hatreto izy ireo raha ny fanambarana nataon’i Jhonny Richard Andriamahefarivo, minisitra ny Fitsarana, androany 26 may teny Ivato.
Hoan’ireo voaheloka ka tsy maintsy ampidirina am-ponja kosa dia hatoka-monina aloha izy ireo vao afaka ampidirina any amin’ny efitra tokony hitazonana azy. -

CORONAVIRUS – Déconfinement partiel jour 37
– Ampefiloha : 7h15
– Mahamasina : 7h20
– Anosy : 7h30
– Antaninarenina : 7h35
– Isoraka : 7h45
– Tsaralalàna : 7h 50
– Analakely : 8h

