Ny orinasa madinika sy salantsalany, indrindra ireo orinasa tena madinika no nambaran’ny Fanjakana fa hisitraka ny fanohanana ho an’ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny drafitra marolafy ho an’ny fahamehana. Ireo orinasa ireo no mandrafitra ny 99,8%-n’ny orinasa misoratra ara-dalàna eto Madagasikara, mampiasa ny 77%-n’ny mpiasa ary mampiditra ny 77%-n’ny vola matin’ireo orinasa misoratra ara-dalàna.
Étiquette : Santé
-

ADY AMIN’NY COVID-19 – Mitaraina ho tsy ampy fiarovana sy fampirisihina iatrehana ny coronavirus ireo mpiasan’ny fahasalamana sasany
Hetsika fanairana fa tsy fitokonana no nambaran’ny sendikan’ireo infirmiera sy mpampivelona fa hataony androany zoma. Nifanome fotoana teny amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ireo mpiasan’ny fahasalamana sasany araka izany, hitaky ny fanamafisana ny fiarovana azy ary ny fampitoviana tantana ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra amin’ny lafiny tosika sy fampirisihana.
-

FANABEAZANA – Ny Governemanta no tompon’ny fanapahan-kevitra farany amin’ny datin’ny fanadinam-panjakana
Miandry ny fankatoavan’ny Governemanta ny tetiandro vaovao ho an’ny fanadinam-panjakana, raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana tekinika sy arakasa mpisolo toerana, Elia Béatrice Assoumacou. Nanamarika ihany koa ny minisitra fa hiezaka hatrany hampitovy lenta ny mpiadina amin’ny taranja fanatanjahan-tena amin’izao fotoanan’ny fihibohana sy fahamehana ara-pahasalamana izao.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 53
Antananarivo 11 Juin 2020– Mahamasina : 7h45– Ampefiloha : 8h– Ankorondrano : 8h45 -

FAHASALAMANA – Mila hamafisina ny hery fiarovana hiatrehana ny ririnina
Inona avy no fitandremana mila raisina mandritra izao vanim-potoanan’ny ririnina mifanindry amin’ny coronavirus izao ? Omena sakafo ny hoditra tsy ho maina sy makiana, sakafo ara-pahasalamana no hohanina, fadiana ny mihinana sy misotro mahamay loatra, ary tezaina ny vatana. Torohevitra vitsivitsy entin’ny Dokotera Séraphine Feziny.
-

Mitaky hiverina hiasa ireo mpamily sy mpisehatra eo amin’ny fitateran’olona amin’ny zotra nasionaly
Mitaky ny hanokafana ny tobim-piantsonan’ireo fiara mpitatitra olona amin’ny zotra nasionaly ireo mpitatitra sy mpamily taxi-brousse. Nanao hetsika ho fanairana manoloana ny Tobim-piantsonana Maki tery Andohatapenaka izy ireo io alatsinainy maraina io. Niteny ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana fa efa nisy ny fifampidinihana ka tokony hivadika hitatitra entana aloha izy ireo mandra-piverin’ny toe-java-misy ara-pahasalamana amin’ny laoniny.
-

« Vonjy aina no atao any amin’ireo faritra iharan’ny tazomoka », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka
Tsy ny coronavirus ihany no fahavalon’i Madagasikara fa mbola eo ihany koa ny tazomoka izay mbola mitohy mandripaka sy mamono olona. Hetsika vonjy aina no nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hifehezana izany areti-mifindra izany hoy ny minisitra Ahmad Ahmad.
-

RENIM-PIANAKAVIANA MATIN’NY COVID 19 Efa nandalo tany Anjozorobe sy Analaroa i Malala vao nodidiana
RENIM-PIANAKAVIANA MATIN’NY COVID 19 Efa nandalo tany Anjozorobe sy Analaroa i Malala vao nodidiana teny Anosiavaratra
Roapolo taona i Malala no nindaosin’ny fahafatesana noho ny Covid-19 ny 29 May lasa teo. Nanam-potoana namoahana ny zaza tao an-kibony ity renim-pianakaviana ity talohan’ny namoizany ny ainy. Tsy maintsy nalefa tany amin’ny Hopitaly Anosy Avaratra izy, rehefa nahatsikaritra ny mpitsabo tao amin’ny CSB-n’Anjozorobe sy hopitalin’Analaroa fa hananosarotra ny fiterahany noho ny fahasemporana hita teny aminy. Ny alin’ny niterahany ny zanany no nodimandry i Malala.


