Étiquette : Santé
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 05 JONA 2020
– CORONAVIRUS – Tranga vaovao 18 no voamarina taorian’ny fitiliana natao omaly 4 jona (1ora tolakandro)– ANTANIMORA – Voafonja iray ahiahiana ho voan’ny coronavirus– TONTOLO IAINANA – Miisa 52 521 ireo trangana doro ala hita ny volana janoary ka hatramin’ny volana jona -

ANTENIMIERAM-PIRENENA – Tokony hiresaka kokoa momba ny Covid ny minisitry ny Fahasalamana hoy ny solombavambahoaka
Tsy nivalampatra firy tamin’ny fitantanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 ny minisitra Ahmad Ahmad nandritra ny tatitra nataony manoloana ny solombavambahoaka ny alakamisy teo. Nanamarika ny solombavambahoaka voafidy tany fa tokony hiteny izy amin’ny maha-tekinisianina azy.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 03 JONA 2020
– CORONAVIRUS : Niampy 63 ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus, 10 no sitrana
– FANADINANA CEPE : Tontosa ny fisafidianana ireo laza adina ho an’ireo Cisco eto Analamanga
– FARITRA ATSINANA : Misy fepetra arahina ihany koa momban’ny fivezivezen’ireo olomanan-kaja -

? GALANA – OPERATION TAXI BE
Nohon’ny fangatahan’ny mpandeha sy ny mpisehatra eo anivon’ny fitateram-bahoaka, Galana dia hanohy hatramin’ny 15 jona izao ( marihina moa fa ny 15 May teo no nanombohan’ity hetsika ity) ny hetsika fizarana GEL HYDROALCOOLIQUE? maimaimpoana ho an’ireo taxi-be tonga maka solika eny amin’ireo tobin-tsolika Galana⛽.
Galana, miaro ny fahasalaman’ny mpandeha taxi-be?. -

Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana ireo solombavambahoaka
Milaza tsy mahalala ny mombamomba ilay fanafody andrana fanefitry ny coronavirus ireo solombavambahoaka
Tsy dia voaresaka loatra nandritra ny fihaonan’ireo solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny ny talata teo ny mahakasika ilay fanafody fanefitry ny coronavirus atao andrana klinika eto Madagasikara. Raha nanontaniana ireo solombavambahoaka dia misy ireo milaza tsy mahalala akory ny mahakasika io fanafody andrana io.
Nilaza anefa ny filoham-pirenena tamin’ny fitsidihana nataony tany Toamasina fa nanomboka ny alarobia 27 may teo no nanomboka io andrana klinika io. -

ARO-TAVA : Mampahatsiahy ireo fenitra tokony arahina ny Olafitry ny mpitsabo
Manoloana ny fiparitahan’ny aro-tava amin’izao fotoana izao, dia nampahatsiahy ny Olafitry ny mpitsabo, fa misy ny fenitra izay tokony harahina, mba hahafahan’izy ireny miaro tsara.
-

RAHARAHA PR STEPHANE RALANDISON : Maneho firaisankina ireo mpitsabo
Na tany Toamasina na teto Antananarivo dia naneho firaisankina ireo mpitsabo manoloana ny raharaha mampisaringotra ny Pr Stéphane Ralandison. Ity farany izay voarohirohy amin’ny raharaha nahafaty ilay dokotera iray nitondra ny Coronavirus tao amin’ny Hopitaly Morafeno Toamasina.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 29 MAY 2020
– CORONAVIRUS : Niampy telo ny olona matin’ny coronavirus, tranga vaovao 42 voamarina
– FITATERAM-BAHOAKA : Handoavana vola 400 ariary ka hatramin’ny 500 ariary ny famendrahana fanafody sy fakana gel désinfectant
– PENTEKOSTA : Zandary miisa 1 000 hanara-maso ny fifamoivoizana manodidina an’Antananarivo -

PODCAST – GEL DESINFECTANT : Mila arahina ny fepetra ara-pahasalamana hoy ny Olafitry ny mpitsaboa
Nanambara i Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa tokony arahina ny fenitra ara-pahasalamana hoan’ny gel desinfectant. Tsy tokony latsaka ny 60% ny tahan’ny alikaola ao anatiny, raha tsy izany dia tsy miaro izy ireny hoy izy.
