– ANGOVO – Notokanan’ny filoha Andry Rajoelina, androany 1 Desambra ny tobim-pamokarana herinaratra any Farahantsana.
– BAOLINA KITRA – Mpilalao 33 no nantsoin’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe hiatrika ny fampivondronan’i Barea hanomana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika natokana ho an’ny mpilalao eto an-toerana, Chan, any Algérie
– DIPLAOMASIA – Tonga nanatitra ny dika mitovy ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana ny masoivoho vaovao avy amin’ny Repoblika Islamikan’i Iran, Hassan Ali Bakhshi.
– FAMPIANARANA- Lany teny anivon’ny Antenimeram-pirenena ny volavolan-dalàna mikasika ny rafi-panabeazana eto Madagasikara.
