VAOVAO – MINUTE FLASH 30 SEPTAMBRA 2022

– ZON’OLOMBELONA – Tokony havoaka ampahibemaso ho fantatry ny besinimaro ny didim-pitsarana an’ireo voarohirohy ho manao herisetra amin’ny olona varira, hoy ny Firenena mikambana.
– TONTOLO IAINANA – Tafiakatra 8 000 hekitara ny velaran’ny faritra ravan’ny afo ao amin’ny valan-javaboaharin’ny Helodranon’i Baly ao Soalala, ahitana firehetana ihany koa ao Ankarafantsika
– TSENA – Samy tsy mihemotra tsy milefitra na ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra na ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse amin’ny resaka fivarotana eny amin’ny sisin-dalana.

Quitter la version mobile