FANAMARINAM-BAOVAO – Diso ny filazana fa andro tsy fiasana ny 14 oktobra 2026, sary namboarina ilay taratasy mirakitra ny didim-panjakana naparitaka

Andro fiasana tahaka ny andavanandro ny alarobia 14 oktobra 2026, raha ny fanamafisana avy amin’ny Fiadidiana ny governemanta sy ny ministeran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Diso araka izany ny filazana niparitaka amin’ny tambajotran-tserasera androany talata fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karama manerana an’i Madagasikara io daty io. Sary namboarina no nentina naparitaka hanehoana amin’ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera fa nisy ny didim-panjakana noraisin’ny Filan-kevitry ny governemanta. Nanamarina io vaovao io izahay teto amin’ny 2424.mg.

Ny zava-nisy
Niparitaka teny amin’ny tambajotran-serasera androany talata tolakandro ny ranty mampiseho didim-panjakana mitondra ny laharana 2026-2297, izay milaza fa andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny 14 oktobra 2026. Ny fanamarinam-baovao nataon’ny ekipan’ny 2424.mg dia nahitana fa tamin’ny roa ora latsaka dimy teo no nanomboka nivoaka tany anaty vondrona maromaro ao amin’ny tambajotran-serasera Facebook ny ranty, ary kaonty misoratra amin’i Mino Kl Ramanantsoa no namoaka azy.

Ny fiantraikan’ilay tranga

Vetivety dia nahazo fanehoana fihetseham-po sy taria maro dia maro ny ranty. Tao anatin’ny adiny telo monja ohatra dia fanehoana fihetseham-po 342, taria 108 ary fizarana 45 no azon’ny ranty tao anatin’ny vondrona Mpampianatra eto Madagasikara te ho mpiasam-panjakana izay manana mpikambana 108 400. 547 ny isan’ny fanehoana fihetseham-po tao anatin’ny vondrona Ministère de l’Education nationale Malagasy (MEN), 153 ny taria ary 94 ny fizarana, adiny telo taorian’ny fivoahan’ny ranty.

Maro ihany koa ireo kaontin’olon-tsotra na pejy ofisialy nizara ilay ranty na nampiasa ny sarin’ilay taratasy mirakitra didim-panjakana. Ny kaominina ambanivohitra Alasora, ohatra, dia namoaka fanambarana tamin’ny pejiny fa “Araka ny 𝗗𝗶𝗱𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟮𝟬𝟮𝟲-𝟮𝟮𝟵𝟳, izay manambara fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝟭𝟰 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲, dia 𝗵𝗶𝗸𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗯𝗶𝗿𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗹𝗮𝘀𝗼𝗿𝗮 amin’io andro io”. Nofafany anefa ny ranty ary naneho fialan-tsiny sy nanao filazana fanitsiana izy adiny iray taorian’ny namoahany ilay fanambarana.

Ny asa fanamarinam-baovao

Rehefa nanontaniana ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Governemanta sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa, fampananana asa ary asam-panjakana dia nilaza avy hatrany fa diso ilay vaovao miparitaka fa tsy nisy velively ny didim-panjakana noraisina mikasika ny maha-andro tsy fiasana ny 14 oktobra 2026.

Rehefa nampitaha ny sarin’ny taratasy mirakitra ny didim-panjakana tamina rindram-baiko ahafahana mampitaha sary ny ekipan’ny 2424.mg dia nahita fa ilay didim-panjakana navoakan’ny Governemanta tamin’ny 22 septambre 2026, izay nanambara fa andro tsy fiasana anefa handraisan-karama ny datin’ny 25 septambra 2026 no nokitihina ka nanamboarana ilay didim-panjakana navoaka androany talata. Mifanitsy tanteraka ireo sary roa fa ny daty ihany no hita fa nasiana fanovana.

Ankoatra izay dia nanaovanay fanamarinana ihany koa ny laharan’ilay didim-panjakana. Teo no nahitana fa tsy mifanitsy amin’ny filaharan’ny didim-panjakana mivoaka amin’ny tranonkala CNLegis ilay laharana 2026-2297. Efa mihoatra lavitra ny laharana 2026-2297 ny laharan’ny didim-panjakana noraisina tamin’ny 8 oktobra 2026 (2026-2308) anefa lazaina fa tamin’ny 13 oktobra 2026 ilay didim-panjakana laharana 2026-2297.

Fehiny

Diso ny filazana fa andro tsy fiasana anefa handraisan-karama ny datin’ny 14 oktobra 2026.
Sary namboarina niainga tamina didim-panjakana efa nisy taloha no nampiasaina nentina nanohanana ilay vaovao niniana nodisoina.

Commentaires

Laisser un commentaire