Catégorie : Économie

  • TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    TSENA – 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra ny lavanila maitso

    Mitotongana, izay no azo amehezana ny vidin’ny lavanila maitso amin’izao fotoana izao any Ambanja. 50 000 ariary no hividianan’ireo mpanangom-bokatra arak any tatitra nataon’ny Honoré, mpividy lavanila maitso, raha toa ka nanodidina ny 170 000 ka hatramin’ny 220 000 ariary izany tamin’ny taon-dasa.
    Ahiana hitovitovy amin’izany miseho any Sambirano izany ihany ny mety hiseho any amin’ny faritra SAVA, izay mbola miandry fisokafan’ny tsena ny 15 jolay, raha araka ny fanamabarana nataon’ny Zakir Houssen Mamodaly, filohan’ny tranoben’ny varotra SAVA.

  • FIATREHANA NY VOKATRY NY KRIZY ARA-PAHASALAMANA : Hivoaka tsy ho ela ireo drafitra marolafy

    FIATREHANA NY VOKATRY NY KRIZY ARA-PAHASALAMANA : Hivoaka tsy ho ela ireo drafitra marolafy

    Hitodika any amin’ireo tena voadona mafy tamin’ity krizy ity ireo drafi-panarena izay ho avoaka tsy ho ela hoy ny Praiministra Christian Ntsay teo anoloan’ireo solombavambahoaka. Miandry ny fankatoavan’ny filankevitry ny ministra sisa dia ho ampiharina izany.

  • FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Misy ireo orinasa voatery manajanona ny mpiasa sasany ao aminy

    FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA : Misy ireo orinasa voatery manajanona ny mpiasa sasany ao aminy

    Betsaka ireo orinasa misedra olana amin’izao fotoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana izao. Misy amin’izy ireny no voatery nanajanona ny mpiasa sasany ao aminy, nohon’ny tsy fahafahana mandoa ara-dalàna ny karaman’izy ireo intsony.

  • Mila fandaharan’asa matotra avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina

    Mila fandaharan’asa matotra avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina

    Taorian’ny nandavan’ny governemanta ny « Plan de mitigation », na ilay drafitra novolavolaina hanavotana ny orinasa sy ireo mpiasa malagasy ao amin’ny sehatra tsy miankina noho izao valanaretina covid19 izao, dia miantso dinika maika miaraka amin’ny mpampiasa sy ny fitondram-panjakana ny CTM na Confédération des syndicats des travailleurs de Madagascar.
    « Tsy misy afa-tsy io fihaonan’ny telo tonta io ihany no hahafahana mametraka vahaolana hanavotana ireo mpiasa very asa sy fidiram-bola vokatry ny valanaretina coronavirus », hoy i Rémi Henri Botoudi, Sekretera jeneralin’ny Sekrima sady mpandrindra ny CTM. Nanamafy ihany koa i José Randrianasolo, Sekretera jeneralin’ny Fisema, sady mpikambana ihany koa ao amin’ny CTM fa mila mifampizara andraikitra ny tsirairay mba tsy hilatsahan’ireo mpiasa anaty fahantrana lalina.

  • FANARENANA NY TOE KARENA : Mbola tsy misy ny drafitra hoy ny Praiministra

    FANARENANA NY TOE KARENA : Mbola tsy misy ny drafitra hoy ny Praiministra

    Mbola tsy misy ny drafitra entina manarina ny toe-karena hoy ny Praiministra Christian Ntsay, androany 26 may teny Ivato. Mbola tsy misy ary mbola tsy nandray fanapahan-kevitra mahakasina ny « Plan de mitigation » ihany koa ny governemanta hoy hatrany ny nambarany.

  • TOE-KARENA : « Nolavin’ny Fanjakana ny tolo-kevitra fanohanana ny mpiasa » hoy Thierry Rajaona

    TOE-KARENA : « Nolavin’ny Fanjakana ny tolo-kevitra fanohanana ny mpiasa » hoy Thierry Rajaona

    Mahatsiaro tsy mahita mangirana amin’ny fanohanana ny orinasa sy ny mpiasa tsy miankina amin’izao fisian’ny areti-mifindra covid 19 ny Fikambanam-ben’ny orinasa eto Madagasikara na Groupement des entreprises à Madagascar (GEM) raha mihaino ny tafa nataon’ny filohany, Thierry Rajaona. Mbola manantena fiaraha-midinika hitadiavana vahaolana amin’ny Fanjakana anefa izy ireo.

  • PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany

    PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany

    PODCAST – Fampidirana ny tanàna avo ho vakoka maneran-tany : Ny fiandrianam-pirenena no ambony hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina.
    Namaly ny UNESCO na ny sehatra misahana ny fampianarana, ny kolontsaina ary ny siansa eo anivoan’ny firenena mikambana ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo mahakasika ny fampidirana ny tanana avon’Antananarivo ho vakoka maneran-tany. Ho an’ity mambran’ny governementa ity dia misy zavatra manan-danja kokoa noho izany.

  • Tontolon’ny fizahan-tany : mitaraina ny amin’ny tsy fisian’ny mpanjifa ireo mpisehatra

    Tontolon’ny fizahan-tany : mitaraina ny amin’ny tsy fisian’ny mpanjifa ireo mpisehatra

    Mitentina hatramin’ny 300.000 amin’izao fotoana izao ireo olona misehatra mivantana na tsia amin’ny sehatry ny fizahan-tany . Misy amin’ireo mpampiasa no efa nampihena ireo olona ao aminy ary misy koa ny milaza fa hanatsahatra ireo izay mbola miasa raha mbola mitohy izao zava-misy izao.

  • RESTITUTION DES ILES EPARSES : Soutien inconditionnelle de l’Assemblée Nationale

    RESTITUTION DES ILES EPARSES : Soutien inconditionnelle de l’Assemblée Nationale

    RESTITUTION DES ILES EPARSES : Soutien inconditionnelle de l’Assemblée Nationale à la démarche de l’Etat malgache
    L’Assemblée nationale a fait une déclaration, ce mercredi, au CCI Ivato. Les parlemenaires se sont dits opposés à la démarche de la France concernant les îles Eparses. La présidente de cette institution a assuré que les députés de Madagascar soutiennent l’initiative prise par le président Andry Rajoelina en vue de la restitution de ces îles au peuple malagasy.

  • PETROLE – l’OMH explique l’absence de baisse des prix des carburants

    PETROLE – l’OMH explique l’absence de baisse des prix des carburants

    Malgré la baisse relative des cours pétroliers, les prix à la pompe n’ont pas suivi la tendance du marché international. Le Directeur général de l’Office Malgache des Hydrocarbures, Jean Baptiste Olivier explique pourquoi les tarifs à la pompe à Madagascar n’ont pas suivi la même trajectoire ? Il reconnaît que dans le contexte actuel du marché international, une révision à la baisse des prix des produits pétroliers n’est pas impossible, mais les autorités préfèrent avancer avec prudence. « Avant qu’une telle décision soit prise, un certain nombre de paramètres doivent être pris en compte », avertit-il.