Catégorie : Économie

  • PODCAST : MIHOATRA NY 70 ANDRO NY TAHIRIN TSOLIKA

    PODCAST : MIHOATRA NY 70 ANDRO NY TAHIRIN TSOLIKA

    Na dia ao anaty hamehana ara-pahasalamana aza isika dia tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto an-toerana. Nanome andinindininy momba izany ny Tale jeneralin’ny Office Malgache des Hydrocarbures.

  • ILES EPARSES : Madagascar riposte au projet français sur l’archipel Glorieuses

    ILES EPARSES : Madagascar riposte au projet français sur l’archipel Glorieuses

    Djakoba Liva Tehindrazanarivelo ministre malgache des affaires étrangères, convoque lundi à son bureau à Anosy l’ambassadeur de France, Christophe Bouchard. Il lui fait part, je cite  » l’opposition ferme de l’Etat malgache au projet du gouvernement de la République française de créer une réserve naturelle nationale sur l’archipel des Glorieuses », fin de citation.

  • Fambolena karaoty : Fils Rafaliarimanana  » tsara ny vokatra saingy amidy mora « 

    Fambolena karaoty : Fils Rafaliarimanana  » tsara ny vokatra saingy amidy mora « 

    Mamboly vary sy legioma toy ny karoty sy ovy no foto-piveloman’ireo tantsaha ao Ambatomainty, ao amin’ny kaominina Ambohibary, amin’iny lalàm-pirenena fahafito iny, 42 kilaometra tsy hidirana ny tanàn’Antsirabe.

    Ratsy ny vokatra ovy raha ny fitantaran’i Fils Rafaliarimanana saingy tsaratsara kosa ho an’ny karaoty. Teo ampanadiovana ireo vokatra avy nohadiana teny an-tanimboly indrindra i Fils no mitantara ny fiainana iainan’ireo tantsaha toa azy. Io vokatra io no isan’ny hiantoka ny fiainan’izy mianakavy amin’ity taona ity.

  • CORONAVIRUS : Mandalo fotoan-tsarotra ireo trano fisakafoanana.

    CORONAVIRUS : Mandalo fotoan-tsarotra ireo trano fisakafoanana.

    Anatin’ny ady sarotra tokoa ireo trano fisakafoanana eto an-drenivohitra. Mitaraina amin’ny fihenan’ireo mpanjifa izy ireo kanefa tsy maintsy manaraka ireo lamina sy fepetra napetraky ny fanjakana.
  • FAMOKARANA BIOLOJIKA : Lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny sehatr’asa

    FAMOKARANA BIOLOJIKA : Lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny sehatr’asa

    Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena nivory teny Ivato, androany 12 may, ny lalàna mifehy ny famokarana biolojika. Araka ny fanamarihana nataon’i Lucien Ranarivelo, minisitry ny Fambolena sy fiompiana ary ny jono, dia misy ireo faritra izay natokana hanaovana io famokarana biolojika io.
    Nanamarika ihany koa anefa izy fa tsy maintsy lanjalanjaina ny famokarana biolojika sy ireo efa nahazatra hatramin’izay na ilay antsoina hoe « technique conventionelle ».

  • FANARENANA NY TOEKARENA : Miandry vahaolana ny sehatra tsy miankina

    FANARENANA NY TOEKARENA : Miandry vahaolana ny sehatra tsy miankina

    Nohon’ny krizy ara-pahasalamana mianjady amin’ny firenena dia latsaka anaty lavaka lalina ny ankamaroan’ireo seha-piarihana. Tsy misy fidiram-bola intsony ireo mpandraharaha ka velon-taraina. Nanome toky anefa ny praiministra Christian Ntsay fa efa manao izay rehetra azo atao ny fanjakana.

  • FITATERANA : Milaza ho maty antoka ireo taxibe

    FITATERANA : Milaza ho maty antoka ireo taxibe

    Herinandro mahery izay no niverina niasa ireo fiara fitateram-bahoaka. Misy ireo fepetra manokana noraisin’ny tompon’andraikitra amin’izany. Manoloana izany indrindra dia nanontany ireo miasa amin’ity sehatra ity izahay, hahafantarana ny fomba iainan’izy ireo izany.
  • TONTOLON’NY ASA : Ny tsara ho fantatra amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao

    TONTOLON’NY ASA : Ny tsara ho fantatra amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao

    Amin’ny izao fotoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana izao dia maro ireo disadisa mety hisy eo anivon’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Tsara ny mahafanatatra ny lalana mifehy ny asa mba ahafahana miharo ny zon’ny tsirairay. Manazava izany indrindra i Ando Ny Aina Rasolonjanahary, conseiller juridique.
  • FIHIBOHANA : Anisan’ny mitaraina ny tompona taxi

    FIHIBOHANA : Anisan’ny mitaraina ny tompona taxi

    Hatramin’ny niantobohan’ny fihibohana dia tsy nahazo niasa intsony ireo taxi eto andrenivohitra. Misy fiantraikany mafy amin’ny fiainan’ireo tompona taxi anefa izany satria maro amin’izy ireo no tsy manana fidiram-bola ankoatry ny taxi. Nanaiky hijoro vavolombelona amin’izany i Ruffin sy i Lalaina.

  • MPIVAROTRA HANI-MASAKA : Mitaraina ny amin’ny tsy fisian’ny tsena

    MPIVAROTRA HANI-MASAKA : Mitaraina ny amin’ny tsy fisian’ny tsena

    Anisan’ireo mitaraina amin’ny tsy fisian’ny tsena ihany koa amin’izao fotoana izao ireo mpivarotra hani-masaka. Voatery mampihena ireo entana amidiny izy ireo, kanefa mikiry mivarotra ihany sitrany ahay misy vola miditra amin’izao fihibohana izao.