Catégorie : Actualité

  • Coronavirus : Maharitra efa-bolana ireo tahirin’ny entana fampiasa andavan’andro (PPN)

    Coronavirus : Maharitra efa-bolana ireo tahirin’ny entana fampiasa andavan’andro (PPN)

    Manoloana ny mety ho fanakatonana ny sisin-tany hiarovana ny fidiran’ny Coronavirus eto amin’ny Nosy, dia nanambara i Lantosoa Rakotomalala, Ministry Indostria, ny varotra sy ny asa tanana, omaly 17 martsa, fa tsy misy ahiana ny mahakasika ireo entana fampiasa andavan’andro na ny PPN. « Mbola maharitra hatramin’ny efa-bolana ireo tahiry mahakasika ireo vokatra ireo », hoy ny tenany. Misy noho izany ny fepetra horaisin’ny fanjakana hoan’ireo izay manararaotra mampiakatra ny vidin’entana.

  • MINUTE FLASH 17 MARTSA 2020

    MINUTE FLASH 17 MARTSA 2020

    – CENI : namafisin’ny HCC ny fahabangan-toeran’ny filoha lefitra
    – Coronavirus : miato ny fanomezan’ny masoivoho malagasy any Frantsa “VISA”
    – Fandoavana fisotroan-dronono : misy lamina vaovao napetraka

  • Kianja Barea – Les travaux continuent

    Kianja Barea – Les travaux continuent

    Les travaux de construction du nouveau stade de Mahamasina avancent. Gérard Andriamanohisoa, conseiller spécial auprès de la présidence de la République, a indiqué, ce 17 mars, que si l’administration ne ferme pas le territoire, la première phase du chantier sera terminée avant le 26 juin.

  • FÉMININ SINGULIER : MAKWA JOMA

    FÉMININ SINGULIER : MAKWA JOMA

    ?Féminin Singulier – Série télévisée / Une production Mémoires Vives © 2019
    Une deuxième édition pour Féminin singulier : une série de courts métrages de 6 à 7 minutes.

    ? ÉPISODE N°10 : MAKWA JOMA

    Portraits de femmes malgaches.
    Celles-ci prononcent un texte concis, composé et dit par elles, à la première personne. Nous découvrons leurs cadres de vie, leurs occupations, professionnelles ou personnelles, leurs préoccupations, leurs centres d’intérêt.

    Féminin singulier
    À notre invitation, les dames qui ont accepté de participer à cette série télévisée ont, elles-mêmes, choisi de nous dire et de nous montrer ce qu’elles veulent. Ni plus, ni moins. Nous entendons leurs mots et nous les accompagnons dans leurs lieux de vie : chez elles, en ville, à la campagne, au travail, dans la rue. Nous rencontrons aussi qui elles veulent : amis, famille, collègues. Elles évoquent, chacune à sa manière, leur passé, les étapes de leur parcours, leurs désirs et les valeurs qui constituent leur philosophie de vie.

    Diversité
    Elles sont d’âges, de milieux et de métiers différents. Celle-ci, dans le champ prometteur de ses 20 ans, entend cultiver ses rêves et ses engagements, celle-là, au soir d’une vie dense et fructueuse, veut poursuivre sa quête et n’envisage pas d’abandonner les combats. Toutes appartiennent à la société malgache, plurielle et riche. Toutes comptent bien apporter à leur pays leur douceur, leur vitalité et leurs richesses. Chacune vit ses rôles, ses engagements, singulièrement.

  • MINUTE FLASH 16 MARTSA 2020

    MINUTE FLASH 16 MARTSA 2020

    – Coronavirus : ho saziana ireo manely vaovao tsy marina momba ny coronavirus.
    – Toetr’andro : miha-manalavitra ny nosy ilay rivo-doza Herold
    – Coronavirus : miisa valo ireo olona arahi-maso eny anosiala amin’izao fotoana izao.

  • ZON’NY MPANJIFA : MAMPITARAINA NY MPANJIFA NY TOLOTRA

    ZON’NY MPANJIFA : MAMPITARAINA NY MPANJIFA NY TOLOTRA

    Ny 15 martsa dia natokana ho andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa. Raha ny eto Madagasikara manokana dia misy ireo mpanjifa mitaraina amin’ny tolotra omena azy ireo. Noho izay indrindra dia nilaza i Pierre Emile Razafintsalama avy amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny 14 martsa teny Ivandry, fa mbola lavitra ny ezaka raha ny eto Madagasikara ny amin’ny ady amin’ny zon’ny mpanjifa izay.

  • KARAMPANONDRO MITOVY LAHARANA – MIANTSO NY HANOKAFANA FANADIHADIANA NY ROHY

    KARAMPANONDRO MITOVY LAHARANA – MIANTSO NY HANOKAFANA FANADIHADIANA NY ROHY

    Nohamafisin’ny fiarahamonim-pirenena avy amin’ny hetsika Rohy ny fisiana karampanondro mitovy laharana ao anaty lisi-pifidianana. Nanamafy anefa i Harijaona Andriamoraniaina, mpandrindra ny hetsika Rohy, ny 13 martsa teny Ambatonakanga fa mila mametraka fomba fiasa vaovao sy matotra mba hahafahana manara-maso ny lisi-pifidianana araka ny tokony ho izy.

  • SOFITRANS : MBOLA MANJAVOZAVO NY HOAVIN’NY ORINASA

    SOFITRANS : MBOLA MANJAVOZAVO NY HOAVIN’NY ORINASA

    Manahy mafy ny hoaviny ireo mpiasan’ny Sofitrans. Mahatsiaro ho voahiliky ny Ravinala Airports, kaompania mitantana ny seranam-piaramanidina eny Ivato izy ireo indrindra ny mahakasika ny “Duty Free”, na ihany koa ny famahanana ireo mpandeha. Nitety andrimpanjakana maromaro izy ireo noho izany hilazany ny ahiahiny.

  • CORONAVIRUS : NY TSARA HO FANTATRA MAHAKASIKA ITY ARETINA ITY

    CORONAVIRUS : NY TSARA HO FANTATRA MAHAKASIKA ITY ARETINA ITY

    Maro ny resaka mandeha mahakasika ny coronavirus ka mitarika ny mponina handray fanapahan-kevitra tsy am-piheverana. Noho izany, tsara ny ahafantaran’ny olom-pirenena, ny rehetra mahakasika io aretina io. Izany dia mba hisorohana ny korontana eo anivon’ny fiarahamonina. Mitondra fampahafantarana vitsivitsy i Dr Manitra Rakotoarivony, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana.

  • MINUTE FLASH 13 MARTSA 2020

    MINUTE FLASH 13 MARTSA 2020

    – ROHY : MITAKY FANADIHADIANA MAHAKASIKA NY TSY FAHATOMOMBANAN’NY LISI-PIFIDIANANA
    – CORONAVIRUS : 41 NO TOTALIN’NY OLONA ARAHIMASO
    – SEKOLIM-PANJAKANA : TSY HANDOHA SARA-PISORATANA ANARANA INTSONY IREO RAY AMAN-DRENY