Catégorie : Actualité

  • ANDRO FAHAROAN’NY FIHIBOANA : SAMY MANANA NY FANAPA-KEVINY IREO ORINASA AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA

    ANDRO FAHAROAN’NY FIHIBOANA : SAMY MANANA NY FANAPA-KEVINY IREO ORINASA AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA

    Antananarivo, 24 Martsa 2020, 16.00

    Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina, ny alahady, 22 martsa fa malalaka ny orinasa eo amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fandaminany ny mpiasa mandritra izao fihiboana izao ka samy nandray izany araka izay mampety azy ireo mpampiasa.

  • MINUTE FLASH DU 24 MARS 2020

    MINUTE FLASH DU 24 MARS 2020

    – CORANAVIRUS : OLONA ROA VAOVAO VOAMARINA MITONDRA SORITR’ARETINA
    – ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : NAFINDRA ENY ANOSIZATO IREO TSY MANAN-KIALOFANA
    – BIANCO : RAISINA ANTRANOKALA NY FITARAINANA REHETRA

  • MANAIKY NY FANDAMINANA NAPETRAKA IREO TANTSAHA MPIVAROTRA MANOLOANA NY CORONAVIRUS

    MANAIKY NY FANDAMINANA NAPETRAKA IREO TANTSAHA MPIVAROTRA MANOLOANA NY CORONAVIRUS

    Manaiky ny fandaminana napetraky ny fanjakana ny amin’ny tsy hivarotana mihoatra ny amin’ny 12 ora atoandro ireo tantsaha mpivarotra. Ny hany olan’izy ireo dia ny tsy fisian’ireo fiara mpitatitra vokatra hiakatra an-drenivohitra.

  • ??? ANDRO FAHAROA NY FIHIBOANA : MISY IREO SAHIRANA NOHO NY FANAPAHAN-KEVITRA NORAISIN’NY FANJAKANA

    ??? ANDRO FAHAROA NY FIHIBOANA : MISY IREO SAHIRANA NOHO NY FANAPAHAN-KEVITRA NORAISIN’NY FANJAKANA

    Antananarivo 24 martsa 2020, 11.00

    Mbola maro ny olona mifamezivezy ny marainan’ny 24 martsa 2020, andro faharoa amin’ny fihiboana. Misy ireo sahirana ny amin’ny resaka fitadiavana manoloana ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Mitohy ihany anefa ny asan’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fampanajana ny fitsipika.

  • MINUTE FLASH DU 23 MARS 2020

    MINUTE FLASH DU 23 MARS 2020

    – ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : OLONA 22 METY HAMOAHANA DIDY FIKAROHANA
    – VILLAGE VOARA ANDOHATAPENAKA : HATAO FANOKANA-MONINA IREO OLONA AHIANA HO VOAN’NY CORONAVIRUS
    – FAMERANA NY FIVEZIVEZEN’NY OLONA : ENTITRA NY POLISIM-PIRENENA AMIN’NY ANARAHA-MASO IREO FIARA FITATERANA

  • ??? ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : HAMOAHANA DIDY FIKAROHANA IREO MPANDEHA TSY MANARAKA NY FEPETRA MOMBAN’NY FITOKANA-MONINA

    ??? ADY AMIN’NY CORONAVIRUS : HAMOAHANA DIDY FIKAROHANA IREO MPANDEHA TSY MANARAKA NY FEPETRA MOMBAN’NY FITOKANA-MONINA

    Antananarivo, 23 mars 2020.
    Hentitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny fampiharana ireo fepetra rehetra entina miaro amin’ny coronavirus. Miasa manomboka androany ny « Centre de commandement opérationnel Covid 19 » (CCO Covid – 19) izay eny amin’ny Mining Business Center Ivato no misy azy. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa hary fomba ny fitaovana ampiasaina hiarovana ny vahoaka malagasy. Nampitandrina ary ny tenany fa hamoahana didy fikarohana na « avis de recherche » ireo mpandeha tokony harahi-maso nefa tsy hita na tsy mamaly ny antson’ireo tompon’andraikitra.

  • NY « ÉTAT D’URGENCE SANITAIRE »

    NY « ÉTAT D’URGENCE SANITAIRE »

    Nohazavan’i Andriantojo Razafindrakoto mpahay lalàna sy mpampianatra lalàna ny mombamomban’ny « état d’urgence sanitaire ».
    – Inona no antony hanaovana « état d’urgence » ?
    – Inona no atao hoe « état d’urgence sanitaire »?
    – Inona avy no mampiavaka ny état d’urgence amin’ny « situation d’exception » hafa ?
    – Inona avy no fahefana manokana omena ny mpitondra mandritra ny «état d’urgence? »
    – Azo atao ve ny mandà ny réquisition ataon’ny mpitondra fanjakana
    – Maharitra hafiriana ny « état d’urgence ? »

  • ANTANANARIVO – IREO ORA VOALOHAN’NY FIHIBOHANA

    ANTANANARIVO – IREO ORA VOALOHAN’NY FIHIBOHANA

    Manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina ny alin’ny 22 martsa tamin’ny 11 sy sasany alina, ny amin’ny fivezivezena eny an-dalambe, ny fampihatoana mandritrin’ny 15 andro ny fitaterana iraisana dia mbola misy vitsivitsy mandeha.

  • CORONAVIRUS : MIROHOTRA MAMONJY FODIANA NY MPONINA

    CORONAVIRUS : MIROHOTRA MAMONJY FODIANA NY MPONINA

    Taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny zoma 20 martsa lasa teo mahakasika ny valan’aretina Coronavirus, dia mirohotra mody any amin’ny toerana nihaviany ny ankamaroan’ireo mponina eto Antananarivo. Misy anefa ny fepetra tsy maintsy arahan’ny koperativa tsirairay manoloana izany.

  • CORONAVIRUS : MISAVORITAKA NY MPONINA KA MANANGONA IZAY ILAINY

    CORONAVIRUS : MISAVORITAKA NY MPONINA KA MANANGONA IZAY ILAINY

    Taorian’ny fanambaran’ny filoha Andry Rajoelina mahakasika ny fisian’ny olona mararin’ny covid-19 eto Madagasikara dia miaina anaty tahotra ny ankamaroan’ny mponina eto andrenivohitra. Tsy vitan’izany fa noho ny fiahiahiana tsy voazava dia nirohotra nanangona entana izay ilaina amin’ny fiainana andavan’andro izy ireo. Rakotra mpiantsena ny fivarotana vary, siramamy, menaka… , ary ny farmasia ihany koa. Manararaotra ny zava-misy anefa ireo mpivarotra ka mampiakatra ny vidin’entana ao aminy.