FIFIDIANANA AMIN’NY AMPAHANY – Efa vonona ny fanjakana
Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana
« Vonona amin’ny fanatanterahana ireo fifidianana amin’ny ampahany ny fanjakana ». Io no nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa taorian’ny fanafoanan’ny « Tribunal Administratif », ny vokatra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny kaominina sasantsasany.
Catégorie : Politique
-

FIFIDIANANA AMIN’NY AMPAHANY
-

SAFIDY
Ivontoerana Safidy : Tsy mitovy ny famakiana ny lalàna.
« Tsy azo raisina », io no valin’ny fitoriana napetrakin’ny Ivontoerana Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivontoeran’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy) teny anivon’ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana mikasika ireo tsy fanarahan-dalàna nandritry ny fifidianana ben’ny tanàna teto Antananarivo. Araka ny nambaran’i Stella Razanamahefa mpitondra tenin’ny Safidy dia lalàna iray no miasa eto Madagasikara kanefa tsy mitovy ny famakiana azy. Raha noraisina ny fitoriana tany amin’ny faritany, dia tsy izany kosa no niseho teto an-drenivohitra. -

KAOMINALY – NOLAVIN’NY FITSARANA AVOKOA NY FITORIAN’NY TIM
KAOMINALY – Notontosaina anio 08 janoary 2020 teny amin’ny « Tribunal Administratif » Anosy ny fitsarana ireo taratasin’ady mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana ho an’ny Antananarivo Renivohitra. Nivoaka ny didim-pitsarana ka nolavina avokoa ny fitoriana napetraky ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny kandidà natolony, dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro.
-

MBOLA AFAKA RAVANA NY DIDY AVOAKAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY FANJAKANA
FIFIDIANANA – Manana telopolo andro ao aorian’ny namoahan’ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (CENI) ny vali-pifidianana vonjimaika ny fifidianana Ben’ny tanana ny 27 novambra lasa teo, ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana amoahany ny valim-mpifidianana ofisialy.
Ao anatin’izay anefa dia mbola afaka mametraka fitoriana ny olom-pirenena raha araka ny nambaran’i Hery Rason, mpikirakira ny fifanolanana ara-pifidianana ao amin’ny Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), ny 17 desambra teny Ambatonakanga.
-

ÎLES ÉPARSES – LES MALGACHES UNIS POUR UNE SEULE CAUSE
C’est parti pour les consultations nationales sur les îles Éparses. Toutes les forces vives de la nation ont été invitées à apporter leurs avis, suggestions ou propositions en vue de récupérer les îles malgaches : Nosy Sambatra, Nosy Nandalova, Nosy Bedimaky et Nosy Antratrambiavy ou Nosy Ampela.
Ces consultations, initiées par le gouvernement malagasy s’avèrent primordiales avant la suite des discussions avec la partie française.




