Catégorie : Politique

  • L’IMPLICATION DES JEUNES POUR LES ILES EPARSES

    L’IMPLICATION DES JEUNES POUR LES ILES EPARSES

    Une conférence sur la conversation diplomatique sur thème des îles éparses avec les étudiants de l’IEP s’est tenue le 4 mars dernier. L’objectif étant de permettre aux jeunes étudiants de comprendre l’importance des enjeux de ce sujet pour la jeunesse actuelle.
  • FIVORIAN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA : HO ANKATOAVINA TSY MISY ADIHEVITRA IREO DIDY HITSY VOLANA

    FIVORIAN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA : HO ANKATOAVINA TSY MISY ADIHEVITRA IREO DIDY HITSY VOLANA

    Manatanteraka fivoriana tsy ara-potoana mandritra ny 12 andro ny mpikambana ao amin’ny antenimieram-pirenena nohon’ny didy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ny amin’ny tsy maintsy ankatoavan’ny antenimiera ireo didy hitsy volana izay navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoana nahazahoany alàlana nanao izany.
    Etsy an-daniny dia nilaza ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa fa tsy handalo adi-hevitra intsony ny mahakasika azy ireny fa tonga dia hiroso amin’ny fankatoavana avy hatrany ireo depiote.

  • NOHAMAFISIN’NY CENI NY FISIANA KARAMPANODRO MITOVY LAHARANA TAO ANATY LISI-PIFIDIANANA

    NOHAMAFISIN’NY CENI NY FISIANA KARAMPANODRO MITOVY LAHARANA TAO ANATY LISI-PIFIDIANANA

    Nohamafisin’ny komity mahaleotena mpikarakara ny fifidianana (Ceni) ny fisian’ny karam-panondro mitovy laharana miisa 1 162 512 tao anaty lisi-pifidianana. Raha araka ny nambaran’i Heriniaina Rakotomanana, filohan’ny CENI, ny 04 martsa teny Alarobia, dia lesoka efa nisy tao anaty lisi-pifidianana nanomboka ny taona 2012 izy ity ka fotoana izao anadiovana izany.
    Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana izay natao avy tamin’ireo lisitra ireo moa ny vondron’antoko avy ao amin’ny Rodoben’ny mpanohitra hoan’ny demokrasia eto Madagasikara. Notsindrin’ny filohan’ny Ceni fa tsy mandiso velively ny voka-pifidianana telo izay notanterahina nanomboka tamin’ny filoham-pirenena ka hatramin’ny fifidianana kaominaly izany. Noho izay dia tsy misy antony tokony hametrahan’ireo mpikambana ao amin’ny CENI fialana.

  • FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA

    FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA

    FIFIDIANANA BEN’NY TANANA SY MPANOLOTSAINA, 386 IREO FANGATAHANA FANDRAVANA DIDY VOARAIN’NY FILANKEVIM-PANJAKANA

    Tsy didy tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana raha ny raharaha mahakasika ny valim-pifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna natao ny 27 novambra 2019 no asian-dresaka. Mbola azo natao ny nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny Filankevim-panjakana hoy i Hery Rason, Mpikirakira fifanolanana ara-pifidianana ao amin’ny Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy).
    386 araka izany ny isan’ireo antota-taratasy fangatahana fandravana didy voarain’ny Filankevim-panjakana raha araka ny tatitra nataon’i Benjamin Alexis Rakotomandimby, Kaomisera Jeneralin’ny lalàna ny 27 febroary. Ny fiandrasana ireo didy ireo anefa, hoy ny fanazavany, dia tsy manakana ireo ben’ny tanàna izay efa amperin’asa ankehitriny hanatanteraka ny andraikiny.

  • LISI-PIFIDIANANA : 268 817 NY MPIFIDY VAOVAO NAMPIDIRINA

    LISI-PIFIDIANANA : 268 817 NY MPIFIDY VAOVAO NAMPIDIRINA

    Ny voalohan’ny volana desambra 2019 no nosokafana ny lisi-pifidianana ka nakatona vonjimaika izany ny 28 febroary. Isan’ny tsikaritra nandritra ity fanavaozana ity ny tsy faharisihan’ny olom-pirenena nanoratra ny anarany. Araka ny nambaran’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny Komity mahaleotena mikarakara fifidianana (Ceni), ny 28 febroary teny Alarobia, dia manodidina ny 2,61% monja ny fiakaran’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina amin’ny lisitra teo aloha.
  • ANTOKO MPANOHITRA, HIJORO HO AROFANIN’NY DEMOKRASIA

    ANTOKO MPANOHITRA, HIJORO HO AROFANIN’NY DEMOKRASIA

    Endrika iray mampiorina ny demokrasia ny fisian’ny antoko mpanohitra. Hoan’i Madagasikara dia mbola tsy mitoetra mazava ny sata mifehy ny fanoherana. Notsipihan’i Fabergé Gabriel Mamitiana, senatera avy amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) fa « tsy tokony hiandry ny fisian’ny mpanohitra ny fanarahan-dalàna. Noho izay dia hijoro ho arofanina ny antoko izay misy azy.
    Nanambara kosa i Rinah Rakotomanga, talen’ny serasera ao amin’ny fiadidina ny Repoblika, ny 19 febroary teny Antanimena fa « ilaina tokoa ny fisian’ny mpanohitra saingy tsy atao bontolo »

  • JEAN-YVES LE DRIAN : UNE VISITE QUI NE FAIT PAS L’UNANIMITE

    JEAN-YVES LE DRIAN : UNE VISITE QUI NE FAIT PAS L’UNANIMITE

    Jean-Yves Le Drian, ministre de l’Europe et des Affaires étrangères de la République française, n’a pas clairement évoqué la question des îles Éparses durant son séjour à Madagascar, du 20 au 21 février. Certains citoyens, membres d’un parti politique ou non se disent de ce fait déçus. Ces derniers ont espéré que ce sujet soit placé au centre des discussions entre les dirigeants malgaches et le diplomate.
    Il y en a qui sont allés manifester devant l’Ambassade de France à Ambatomena pour exprimer leur mécontentement, tant envers le ministre français que les dirigeants malgaches.

  • VELIRANO : HERINTAONA ATY AORIANA

    VELIRANO : HERINTAONA ATY AORIANA

    Herintaona izay no nanaovan’ny Filoham-pirenena ireo « Velirano 13 », izay nampanantenainy hampandrosoana an’i Madagasikara. Inona no vita ? Inona no asa mbola miandry ? Izany no votoatin’ny adihevitra nokarakarain’ireo tanora ao amin’ny YLTP, notanterahina ny 19 febroary tetsy Antanimena.
  • GOVERNEMANTA – FIFAMINDRAM-PAHEFANA

    GOVERNEMANTA – FIFAMINDRAM-PAHEFANA

    GOVERNEMANTA – Nitohy androany, 31 janoary, ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo mpisolo toerana azy ireo.

  • GOVERNEMENTA – FIFAMINDRAM-PAHEFANA

    GOVERNEMENTA – FIFAMINDRAM-PAHEFANA

    POLITIKA – Fifamindram-pahefana teo anivon’ny ministera samihafa.