DONAKAFON’ANALAKELY – NAINA ANDRIANTSITOHAINA : Namelabelatra ireo vina tiany hitondrana sy hampandrosoana ny tanànan’Antananarivo ny kandidà Naina Andriantsitohaina raha nifanatrika tamin’ireo kandidà mpifaninana sy ny mpiasan’ny Kaominana Antananarivo renivohitra. Isan’ireo nasiany teboka ny vahaolana momban’ny fako, ny tsena ary ny fitaterana.
DONAKAFON’ANALAKELY – NY OLAN’NY TSENA ENY AMORON’ARABE : Ny fifanatrehan’ireo kandidà dimy mirahalahy mirotsaka ho fidiana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nandritry ny adihevitra Donakafon’Analakely. Fotoana izay namelabelarana ireo vina hitondrana ny tanànan’Antananarivo teo anoloan’ireo mpiasan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.









