– TETI-BOLA NASIAM-PANITSIANA – Fito alina tapitrisa ariary no heverina hamaliana ny fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra sy hanomezana tambin-karama ny mpiasan’ny fahasalamana
– VALAN’ARETINA – Miampy roa ireo nindaosin’ny fahafatesana noho ny Covid-19, 27 ireo mitondra ny tsimokaretina vaovao
– COVID-19 – Olona telo no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus ao Mahajanga
Catégorie : Social
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 16 JONA 2020
-

FANADINANA ANDRANA CEPE: Vonona hiatrika ny fanadinana famaranana ny fanabeazana fototra (CEPE) ny mpiadina, hoy ireo mpanabe
Fomba hamantarana ny fahavononan’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ofisialy ny fanaovana fanadinana andrana. Fomba ihany koa ahafahana mahita raha vonona na tsia hampanao izany fanadinana izany ny rafitra isan-tsokajiny. Milaza ireo mpanabe fa amin’ny ankapobeny, na teo aza ny fisian’ny fihibohana sy ny fahamehana ara-pahasalamana dia vonona na ny mpianatra na ny rafitra hiatrika ny fanadinana ofisialy mamarana ny fanabeazana fototra.
-

Artesunate, fanafody efa fampiasa iadiana amin’ny ny tazo mahery no anaovana andrana hitsaboana ny Covid-19.
Fanafody avy amin’ny Artemisia, fampiasa amin’ny fitsaboana ny tazo mahery no hanaovana andrana eto Madagasikara hitsaboana ireo marary voan’ny Covid-19. Artesunate no anarany ary atsindrona amin’ny nofo na mivantana amin’ny lalan-dra no hanomezana azy ny marary. Samy andramana ny fiantraikany raha mandeha irery izy na raha ampiarahina amin’ny Vitamine C atsindrona. Mararin’ny Covid-19 manaiky an-tsitrapo sy ankalalahana ny andrana no tsaboina amin’ny Artesunate ary any amin’ny Tanàna Voara no andraisana azy ireo.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JONA 2020
– CORONAVIRUS – Mihoatra ny 1200 ny isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eto madagasikara
– FANABEAZANA – Misy fanadihadiana mikasika ilay raharaha vatomamy 8000 tapitrisa miainga any anivon’ny Bianco sy any amin’ny Inspection générale de l’Etat hoy ny minisitra
– TRANO MAY – Nirehitra ny tranon’ny orinasa mpanamboatra sigara tetsy Ambohimanambola -

VAOVAO – MINUTE FLASH 10 JONA 2020
– VALANARETINA : Nitombo iray ny isan’ireo maty
– ANTENIMIERAM-PIRENENA : Nahemotra ny fifidianana izay ho solon’ny Thierry Rakotonarivo ao amin’ny CENI
– FITSABOANA NY COVID-19 : Niverina naka CVO teto Madagasikara ny firenena Tsadianina, tsy fantatra na novidiana na natao fanomezana -

TOETRANDRO – Hiakatra ny mari-pana manomboka amin’ny alakamisy
Mbola hamirifiry ny hatsiaka rehefa maraina ato anatin’ny telo andro ho avy. Somary hiakatra kosa anefa ny mari-pana na izany aza, hoy ny avy ao amin’ny famantarana ny toetrandro. Hahatratra 19°C ka hatramin’ny 23°C ny mari-pâna ambony indrindra. 8°C kosa ny ambany indrindra aty afovoan-tany.
-

FIFANDRAISAN-DAVITRA – Gulfsat Madagascar no mpandraharaha faharoa mahazo manome tolotra « fibre optique »
Tsy orinasa tokana intsony no mahazo manao tolotra « fibre optique » ahafahana mahazo Internet haingam-pandeha eto Madagasikara. Efa afaka misehatra eo amin’io tontolo io ankehitriny ny Gulfsat Madagascar raha ny nambaran’ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra. Ny hanamorana sy hanatsarana ny tolotra momba ny teknolojia vaovao no antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, hoy izy.
-

FANABEAZANA Mandray anjara amin’ny fanalana fahasahiranan’ny ny sekoly ny fanampian’ny Agrikoba sy Agrifarm
Atody, koba kasaka ary kobam-bary no nozarain’ny sekoly tsy miankina Sainte Thérèse Ilanivato tamin’ny mpianatra tao aminy, ny mpampianatra, ny mpanabe ary ireo olona sahirana monina eny amin’ny manodidina ny sekoly. Ny fanampiana avy amin’ny Agrikoba sy Agrifarm no nahafahan’ity sekoly ity nifampizara tamin’ny manodidina azy. Toy ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina dia nisedra fahasahiranana ihany koa ny sekoly katolika Ste Thérèse tetsy Ilanivato vokatry ny fihibohona.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement partiel jour 52 Antananarivo 10 Juin 2020
– Ankorondrano : 7h45
– Behoririka : 8h
– Mahamasina : 8h30
– Andravoahangy : 8h45 -

CONFINEMENT : Le monde de la culture se met au numérique
La crise sanitaire a eu des impacts majeurs dans le domaine de la culture. Des galeries ont fermé leur porte et les artistes ne sont presque plus en contact direct avec leurs fans. Pour remédier à cette situation, les acteurs du monde culturel ont multiplié les offres numériques, afin de garder le contact avec leurs usagers.