Teratany malagasy miisa 1 254 no tafahitsoka any ivelan’i Madagasikara raha ny tatitra navoakan’i Djacoba Liva Tehindrazanarivelo, minisitry ny Raharaham-bahiny, teny Ivato androany 02 jona. Tsy mazava tsara ny valintenin’ny fanjakana ny amin’ny fampodiana azy ireo. Nanamarika ny minisitra fa mila fiomanana ny fampodiana azy ireo.
Catégorie : Social
-

BIRAOM-PANJAKANA : Mbola manomana ny fiveranana amin’ny laoniny ireo tompon’andraikitra
Nanamaivana ny asan’ny biraom-panjakana sasany ny tsy fisian’ny “service minimum” intsony. Hoan’ny sasany kosa dia tsy nanova, na inona na inona izany.
-

VAOVAO – MINUTE FLASH 02 JONA 2020
– CORONAVIRUS : 19 ireo voatily fa mitondra ny tsimok’aretina, 11 ireo sitrana
– CORONAVIRUS : Mampiato ny fampianarana ho an’ny kilasy fahasivy sy famaranana ny sekoly Sainte Famille Mahamasina
– KIANJA MASOANDRO : Azo ampiasaina hanarenana ny vakoka ny teknika fanamboarana maoderina hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina -

FETIN’NY FAHALEOVANTENA : Hikatona avokoa ireo tsena eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona
Fanatatra fa ho tanterahina eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny matso lehibe fanao ao anatn’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60-n’ny Tafika malagasy sy ny fetin’ny fahaleovantaona. Tsy maintsy hisy araka izany ny fandaminana eny an-toerana mahakasika ny tsena mba hahafahana manomana sy manatanteraka ny lanonana amin’ny an-tsakany sy ny an-davany. Nanambara ny lehiben’ny tsena eto Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hatsahatra avokoa ireo tsena rehetra eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona.
-

CORONAVIRUS : Déconfinement jour 42
– Mahamasina : 7h45
– Antananarenina : 8h
– Behoririka : 8h15
– Ankorondrano : 8h30 -

FIATREHANA NY VOKATRY NY KRIZY ARA-PAHASALAMANA : Hivoaka tsy ho ela ireo drafitra marolafy
Hitodika any amin’ireo tena voadona mafy tamin’ity krizy ity ireo drafi-panarena izay ho avoaka tsy ho ela hoy ny Praiministra Christian Ntsay teo anoloan’ireo solombavambahoaka. Miandry ny fankatoavan’ny filankevitry ny ministra sisa dia ho ampiharina izany.
-

TOHANA HO AN’IREO MAREFO – Efa nihena ny isan’ireo olona sahirana noraisina mandritra ny fihibohana
Mbola mitohy ny fandraisana an-tananana ireo olona marefo mandritra ny fahamehana ara-pahasalamana. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo Renivohitra, Lantoarijaona Rajaonson, dia efa nihena ny isan’ireo fianakaviana sahirana, noho ny antony samihafa.
-

Fianakaviana nahiliky ny fiaraha monina noho ny coronavirus
Anisan’ireo olona 67 voalaza fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus i Benjara Andrianivo, na i Njara, raimpianakaviana, mpiasa ao amin’ny tontolon’ny fahasalamana amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray, monina ao Belanitra Zaivola, Ankadikely Ilafy. Rehefa naverina anefa ny fitiliana dia voaporofo fa tsy marary akory ny tenany. Tao anatin’izay fotoana izay dia nisedra fanilikiliana sy tondro molotra i Benja sy ny fianankaviany. Nanambara ireto farany fa sarotra tamin’izy ireo no nifandray tamin’ny fiarahamonina.
Mitantara ny niainany izany i Benjara Andrianaivo sy ny ankohonany. -

CORONAVIRUS : Déconfinement Jour 36
Anosy : 14h
Isotry : 14h:15
Tsaralalàna : 14h:20
Soarano : 14h:30
Andravoahangy : 14h:35
Akorondrano : 14h:45

